Fokom-pirenen' i Gada

(tonga teto avy amin'ny Fokon'i Gada)

Ny fokom-pirenen' i Gada dia iray amin' ireo fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Tamin' ny nahazoana ny tany Kanaana dia niorim-ponenana tao atsinanan' i Jordana izy. Anisan' ny fokom-pirenena nitambatra tao amin' ny Fanjakan' i Samaria ny fokom-pirenen' i Gada ka nataon' ny Asiriana sesitany ka heverina ho anisan' ny fokom-pirenena lazaina fa very.

Sarintanin' ny fokom-pirenena 12n' i Israely

I Gada hanova

I Gada (hebreo: גָּד‬ / Gad) dia olona resahina ao amin' ny Baiboly, zanaka fahafiton' i Jakôba sady zanany tamin' i Zilpa mpanompovavin' i Lea vadiny izay mbola tsy afa-niteraka. Ireto tanisaina ireto ny zanany lahy: Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Arody, aey Arely (Genesisy 46:16).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Gada hanova

Tamin' ny nahazoana ny tany Kanaana dia niorim-ponenana tao atsinanan' i Jordana ny fokom-pirenen' i Gada.

Anisan' ireo fokom-pirenen' i Israely nanjavona hanova

Anisan' ny fokom-pirenena nitambatra tao amin' ny Fanjakan' i Samaria ny fokom-pirenen' i Gada sady nataon' ny Asiriana sesitany sady heverina ho anisan' ny fokom-pirenena lazaina fa very.

Jereo koa hanova