Fokom-pirenen' i Zebolôna

(tonga teto avy amin'ny Fokon' i Zebolôna)

Ny fokom-pirenen' i Zebolôna na fokom-pirenen' i Zabolôna dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny fokom-pirenenaIsraely. Ny tanin' i Zebolôna dia any amin' ny tapany atsimon' i Galilea (na Galilia). Amin' ny maha anisan' ny Fanjakan' i Israely ny fokom-pirenen' i Zebolôna dia babon' ny Asiriana izy ary nataony sesitany ka tsy fantantra intsony avy eo ny nanjo an' io fokom-pirenena io taorian' izany.

Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Zebolôna hanova

I Zebolôna na Zabolôna (hebreo: זְבֻלוּן‬ na זְבוּלֻן‬ na זְבוּלוּן‬ / Zeḇulun na Zevulun) dia zanak' i Jakôba fahenina, zanany farany tamin' i Lea araka ny Baiboly. Ireto ny zanak' i Zebolôna: Sereda sy Elôna ary Jalaela (Genesisy 46.14).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Zebolôna hanova

Ny tanin' ny fokom-pirenen' i Zebolôna dia any amin' ny tapany atsimon' i Galilea (na Galilia), ka ny sisiny atsinanana dia ny Ranomasin' i Galilea, ary ny sisiny andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, ny sisiny atsimo dia ny fokom-pirenen' i Isakara, ary ny varatra andrefana dia ny an' i Asera ary ny avaratra atsinanana ny an' i Naftaly (Jos. 19.10-16).

Ao amin' ny Hiran' i Debôra dia tantaraina ho nandefa ny mpikirakira ny sophet shebet ho any an' ady ny fokom-pirenen' i Zebolôna.

Izany anjara tany izany dia manomboka ao Sarida (Jôsoa 19.10), izay heverina fa i Tel Shadud[1], 80 km any atsimo-andrefan' i Nazareta. Ny sisin-tanin' i Zebolôna dia tsy voafaritra mazava tsara. Amin' ny anarana folo omen' ny Bokin' i Jôsoa hitaritany ny mpamaky dia i Betlehema ao Galilea (Beit Lahm izay fantatra mazava, 11 km) any avaratra-andrefan' i Nazareta) na dia heverina fa i Hanatona, izay voalaza ho sisin-tanin' i Zebolôna amin' i Asera, ny toby arkeôlôjikan' i Tel Hanaton. Ilay mpahay tantara Flavio Jôsefa dia mihevitra fa anisan' ny tanin' i Zebolôna ny tany akaikin' ny tendrombohitra Karmela sy ny ranomasina, hatramin' ny farihin' i Genesareta[2]. Ao avarany no ahitana an' i Asera, ao atsimo-atsinanany i Isakara. Ampahan-tanin' i Zebolôna koa ny tany lemak' i Jezrela sy ny lalambe mampitohy ny ranomasina amin' ny farihy. Tao amin' ny tanin' i Zebolôna no nitaizana an' i Jesoa sy nanaovany lahateny sy asa maro araka ny evanjely sinôptika (Matio sy Marka ary Lioka) izay mahakasika ny asa fanompoana nataony tany Galilea.

Fandraisana anjarana tamin' ny fakana ny tany hanova

Ny fokom-pirenen' i Zebolôna dia nanana ny anjara toerany lehibe tamin' ny fanombohan' ny tantaran' i Israely. Tamin' ny fanisam-bahoaka natao tao an-tany efitr' i Sinay, tamin' ny taona faharoa nialan' ny Zanak' i Israely avy tao Ejipta, dia nahitana lehilahy afaka mitam-piadiana miisa 57 400 araka ny Bokin' ny Nomery (Nom. 1.31) io fokom-pirenena io. Izany tafika izany, izay teo ambany fibaikoan' i Eliaba, zanak' i Helona, dia nitoby niaraka tamin' ny fokom-pirenen' i Jodà sy ny an' i Isakara tao atsinanan' ny tabernakely, sady mpialoha lalana ny besinimaro (Nom. 2.3-9). Sontenan' ny fokom-pirenen' i Zebolôna niaraka tamin' ireo lehilahy nirahin' i Mosesy hizaha ny tany Kanaana i Gadiela zanak' i Sody (Nom. 13.10).

Araka ny lovantsofina jiosy dia nifameno ny fokom-pirenen' i Isakara sy ny an' i Zebolôna satria ny taranak' i Isakara nanokana ny androm-piainany tamin' ny fianarana sy ny fampianarana ny Torah fa ny taranak' i Zebolôna kosa niasa ho an' ny fokom-pirenena roa.

Anisan' ny fokom-pirenen' i Israely nanjavona hanova

Amin' ny maha anisan' ny Fanjakan' i Israely avaratra (na Fanjakan' i Samaria) ny fokom-pirenen' i Zebolôna dia babon' ny Asiriana izy ary nataony sesitany ny mponina tao; tsy fantantra intsony avy eo ny nanjo an' io fokom-pirenena io taorian' izany. Ny mpikambana ao amin' ny Knesset (antenimiera) israeliana, i Ayoob Kara, dia mihevitra fa taranaky ny fokom-pirenena verin' i Israely ny Droza, ka mety ho ny fokom-pirenen' i Zebolôna izany. Nanambara i Ayoob Kara fa betsaka amin' ny zavatra inoan' ny Droza no itovizany amin' ny an' ny Jiosy sady misy profo ara-tarazo izay ahafaha-manamarina fa taranaka jiosy ny Droza[3].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Zabulon" in Catholic Encyclopedia
  2. Josephus, Flavius, Antiquities of The Jews, Book V, Chapter 1, Par. 22, at Early Jewish Writings
  3. Lev, David (25 October 2010). "MK Kara: Druze are Descended from Jews". Israel National News. Arutz Sheva. Notsidihina tamin'ny 13 Avrily 2011.