Ny fokon' i Simeôna dia iray amin' ireo foko roa ambin' ny folon' i Israely. Tao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Kanaana no nisy azy, ao atsinanany ny fokon' i Jodà, nefa mety voahodidin' ny tanin' i Jodà tao ndrefana. Isan' ireo fokon' i Israely folo lazaina fa very ny fokon' i Simeôna.

Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Simeôna hanova

I Simeôna (hebreo: שִׁמְעוֹן‬ / Shim'ôn na Shime‘ôn) dia zanaka faharoan' i Jakoba amin' ireo zanakalahiny roa ambin' ny folo izay zanany tamin' i Lea. I Simeôna sy i Levy dia namaly faty ny anabaviny (i Dina) novetavetain' ny zanaky ny mpanjaka tao Sikema. Izy koa ilay notazomin' i Josefa tany Egipta tsy navela handeha mandra-pahatongan' i Benjamina avy any amin' i Jakoba rainy. Ireto ny zanak' i Simeôna: Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara (izay atao hoe Zera koa) ary i Saoly.

Ny tanin' ny fokon' i Simeôna hanova

Araka ny Bokin' ny Mpitsara dia tao anatin' ny faritry ny tanin' ny fokon' i Jodà ny tanin' ny fokon' i Simeôna. Araka ny fitantaran' ny Baiboly dia tonga tao amin' ny tany Kanaana ny fokon' i Simeôna taorian' ny fialàna avy any Ejipta. Manome antsipiriany momba ny tantarany hatramin' ny Genesisy ka hatramin' ny fahababoana tany Babilôna ny Baiboly, avy eo dia tsy fantatra intsony ny tohin' ny tantaran' ny fokon' i Simeôna ao amin' ny Baiboly.

Araka ny Baiboly ihany dia tao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Kanaana no nisy ny fokon' i Simeôna, ka ao atsinanany ny fokon' i Jodà, nefa mety voahodidin' ny tanin' i Jodà tao andrefana izy (Jôs. 19.1-9). Isan' ireo fokon' i Israely tsy dia manan-danja loatra tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokon' i Simeôna.

Araka ny voalazan' ireo boky roa ao amin' ny Baiboly, dia ny Bokin' i Jôsoa (na Jôsoe) sy ny Boky voalohan' ny Tantara, dia misy tanàna voalaza fa miorina ao amin' ny tanin' i Simeôna (Jos. 19.2-9; 1Tant. 4.28-32), nefa voalaza koa ireo tanàna ireo fa ao amin' ny tanin' i Jodà (Jôs. 15.20-30)[1].

Tsy nisaina ho foko? hanova

Tsy voaresaka ao amin' ny Hiran' i Debôra, izay heverina fa lahatsoratra tranainy indrindra ao amin' ny Baiboly[2] [3], ny fokon' i Simeôna, ary ny Jewish Encyclopedia (1906) dia manambara fa ny fokon' i Simeôna dia mety tsy nisaina ho foko[4]. Ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (Apô. 7.7) dia voatanisa miaraka amin' ny foko roa ambin' ny folon' i Israely hafa ny fokon' i Simeôna.

Anisan' ireo fokon' i Israely nanjavona hanova

Isan' ireo fokon' i Israely folo lazaina fa very ny fokon' i Simeôna izay tsy niaraka tamin' ny fokon' i Jodà sy ny fokon' i Benjamina tao amin' ny Fanjakan' i Jodà fa nitambatra tamin' ny Fanjakan' i Israely avaratra izay noravan' ny Asiriana talohan' ny nandravan' ny Babilôniana ny Fanjakan' i Jodà.

Jereo koa: hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Na'aman, Nadav. "The Inheritance of the Sons of Simeon." Zeitschrift Des Deutschen Palästina-Vereins (1953-), vol. 96, no. 2, 1980, pp. 143. JSTOR, www.jstor.org/stable/27931137.
  2. David Noel Freedman (1980). Pottery, Poetry, and Prophecy: Studies in Early Hebrew Poetry. Eisenbrauns. p. 131. ISBN 978-0-931464-04-1.
  3. Wong, Gregory T.K. "Song of Deborah as Polemic." Biblica, vol. 88, no. 1, 2007, pp. 1–22. JSTOR, www.jstor.org/stable/42614746.
  4. Isidore Singer et al., eds. (1901–1906). "Simeon, Tribe of". Jewish Encyclopedia. New York: Funk & Wagnalls Company.