Fokom-pirenen' i Naftaly

(tonga teto avy amin'ny Fokon' i Naftaly)

Ny fokom-pirenen' i Naftaly dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Tao amin' ny faritr' i Galilea (na Galilea), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny taniny. Anisan' ny Fanjakan' i Israely avaratra ny fokom-pirenen' i Naftaly ka lazaina fa anisan' ny fokom-pirenen' i Israely very.

Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Naftaly hanova

I Naftaly na Neftaly (hebreo: (נַפְתָּלִי‬ / Naftali) dia zanaka fahenin' i Jakôba sady zanany faharoa tamin' i Bila mpanompovavin' i Rahely. Ireto ny zanany lahy: Jaziela, Gony, Jezera ary Silema (Genesisy 46:24).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Naftaly hanova

Tao amin' ny faritr' i Galilea (na Galilea), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny tanin' i Naftaly. Ao andrefany no ahitana ny tanin' i Asera, ao avaratra ny tanin' i Dana ary ao atsimo ny tanin' i Zebolôna (Jôsoa 19:32-39).

Anisan' ny fokom-pirenen' i Israely nanjavona hanova

Tamin' ny fivakisan' ny fanjakana ho roa dia anisan' ny Fanjakan' i Israely avaratra (na Fanjakan' i Samaria) ny fokom-pirenen' i Naftaly. Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.29) dia nataon' ny Asiriana sesitany ny mponin' i Naftaly tamin' ny taona 734 tal. J.K. Lazaina fa anisan' ny fokon' i Israely very izy.

Olona anisan' ny fokom-pirenen' i Naftaly hanova

Araka ny Bokin' i Tôbià dia taranak' i Naftaly i Tôbia. I Ahira, zanaka lahin' i Enana, dia andriandahy taranak' i Naftaly koa.

Jereo koa hanova