Fivavahana tandrefana

Ny fivavahana tandrefana dia ireo fivavahana nipoitra avy amin' ny kolontsaina tandrefana, izay miavaka amin' ny fivavahana tatsinanana, ny fivavahana afrikana, ary ny fivavahana iraniana. Matetika ny andian-teny hoe "fivavahana abrahamika" (jodaisma sy kristianisma ary silamo) dia ampiasaina kokoa noho ny hoe "fivavahana tandrefana", satria avy any Atsinanana Akaiky no nipoiran' ireo fivavahana ireo.

Ny kolontsaina tandrefana tenany koa dia noheverina ho niharan' ny fisandratan' ny kristianisma sy ny fanadraisana azy ho fivavaham-panjakana tao amin' ny Empira Rômana tamin' ny fiafaran' ny taojato faha-4 ka ny teny hoe kristianisma dia manondro indrindra izany tantara mifampidimpiditra izany. Nisy akony betsaka tamin' ny kristianisma tandrefana ny fivavahana helenistika (indrindra ny platônisma) sy ny fivavahana amin' ny emperora rômana. Mifototra amin' ny katôlisisma rômana (fombam-pivavahana latina) ny kristianisma tandrefana, tsy tahaka ny fivavahana ôrtôdôksa tatsinanana, izay nisarahany tamin' ny fivakisana lehibe tamin' ny taonjato faha-11, sady ahitana koa ny fivavahana prôtestanta maro izay nisaraka tamin' ny katôlilsisma rômana tamin' ny taonjato faha-16. Hatramin' ny taonjato faha-19 no mankaty, ny fiavahana tandrefana dia nitombo karazana tao amin' ny hetsika ara-pivavahana vaovao, anisan' izany ny ôkoltisma sy ny spiritisma ary ny endrika maron' ny neôpaganisma.

Jereo koa hanova