Fivavahana eto Madagasikara

(tonga teto avy amin'ny Fivavahana ao Madagasikara)

Ny fivavahana eto Madagasikara dia mitovitovy amin' ny an' ireo firenena aty Afrika atsimon' i Sahara ahitana ny fifanojoan' ny fivavahana maro samihafa izay miteraka fanao ara-pivavahana isan-karazany[1]. Ny tena be mpanaraka dia ny fivavahan-drazana sy ny fivavahana kristiana ary ny finoana silamo. Hita koa ny fivavahana hafa toy ny bahaisma sy ny hindoisma. Efa eto Madagasikara koa izao ny jodaisma.

Katedralin'Antsirabe

Ny fivavahan-drazana malagasy hanova

Ny Malagasy mandala ny fivavahana nentim-paharazana dia mivavaka amin' i Zanahary sy amin' ny razana. Mihoatra ny 52 %n' ny mponina no manaraka ny fivavahan-drazana[2] izay fivavahana manantitra ny fifandraisan' ny velona sy ny maty (Razana).

 
Ny fivavahana manjaka isam-pirenena aty Afrika: Kristiana - Mozilmana - Animista

Ny fivavahana amin' ny Razana hanova

Tsy misaraka amin' ny tontolon' ny velona ny tontolon' ny Razana izay ivavahana ka izany no ahitana Malagasy manao fomba isan-karazany amin' ny fanamboaram-pasana sy amin' ny fanatanterahana ny famadihana amonosan-damba indray ny maty sy andevenana azy indray aorian' izay. Any Imerina sy any amin' ny faritra Betsileo no tena ahitana ny fanaovana famadihana. Izany fivavahana amin' ny razana izany dia matetika miaraka amin' ny fanandroana sy ny sikidy.

 
Malagasy manatanteraka famadihana

Fivavahana amin' ny Zanahary sy amin' ny zanahary hanova

Miantso an' Andriamanitra na an' i Zanahary mpamorona sy zanahary na andriamanitra maro hafa koa ny Malagasy mandala ny fivavahan-drazana rehefa misy zavatra ataony.

Fivavahana abrahamika hanova

Ny Kristianisma hanova

Ny 41 %n' ny Malagasy dia Kristiana[3] ka ny tena misongadina, raha amin' ny lafiny isa, dia ny Katôlika sy ny Prôtestanta.

Tamin' ny nahatongavan' ny misiônera prôtestanta anglisy, dia i David Jones sy i Thomas Bevan, izay nirahin' ny London Missionary Society (LMS) tamin' ny taona 1820, no nanombohan' ny fitoriana ny Filazantsara teto Madagasikara. Nanaraka izany teo antenatenan' ny taonjato faha-19 ireo misiônera nôrveziana sy misiônera katôlika izay nanorina fiangonana sy sekoly.

Mandray anjara amin' ny raharaham-pirenena ny fiangonana kristiana malagasy ka ny fantatra indrindra amin' izany dia ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ahitana ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) ary ny Eklesia Episkôpaly Malagasy (EEM) izay mandray anjara amin' ny famahana ny olana pôlitika eo amin' ny firenena malagasy. Hita ao koa ny Fiangonana ôrtôdôksa izay misy mpino eo amin' ny 20 000 eo sady miaraka amin' ny Patriarkatan' i Aleksandria[4] , ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany (misy mpino miisa 8 000 eo ho eo[5]), ny Vavolombelon' i Jehovah, ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito sy ny hafa koa.

Finoana silamo eto Madagasikara hanova

 
Môske iray ao Fianarantsoa

Efa tany amin' ny Andro Antenatenany no nisy Arabo sy mpivarotra sômaliana mozilmana nanorina sekoly silamo tamin' ny morontsiraka atsinananan' i Madagasikara. Ny fanandroana arabo no niely manerana ny Nosy fa ny fivavahana silamo kosa dia tsy tafapetraka afa-tsy tamin' ny toerana vitsy dia vitsy tany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara.

Ny 1 %n' ny mponin' i Madagasikara dia Mozilmana tamin' ny taona 2010. Tamin' ny taona 2020 dia eo anelanelan' ny 10 % sy 13 % amin' ny mponin' i Madagasikara ny Mozilmana eto amin' ny Nosy. Kômôriana sy Karàna (Indiana sy Pakistaney) ny ankamaroany dia any amin' ny tapany avaratra-andrefan' ny Faritanin' i Mahajanga sy any amin' ny Faritanin' Antsiranana[6]. I Mohammed V, mpanjakan' i Marôka, izay nialokaloka teto Madagasikara, no nahataona Malagasy sasany ho lasa Mozilmana.

Nanomboka tamin' ny taona 2010 dia nihanitombo ny integrisma mozilmana izay vatsian' ny firenena any amin' ny Hoala Persika sy avy any Pakistàna vola. Manahy noho izany ny Mozilmana mpanaraka ny finoana silamo tranainy sy ny mpandraharaha mozilmana. Tsara ho marihina koa fa mitombo tanjaka ny salafisma ao amin' ny Tangoronosin' i Kômôro[7].

Bahaisma eto Madagasikara hanova

Anisan' ireo fivavahana misy eto Madagasikara ny finoana bahay. Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1953 ny mpisava lalana bahay ka niteraka ny fiovam-pinoan' ny Malagasy sasany ho amin' izany finoana izany. Tamin' ny taona 2005 ny Association of Religion Data Archives dia nilaza fa misy mpino bahay 17 900 eto Madagasikara, izany hoe 0,1 % amin' ny mponina rehetra[8].

Jodaisma eto Madagasikara hanova

Efa miorina eto Madagasikara koa ny fivavahana jiosy na jodaisma izay miseho amin' ny endriny maro. Mitombo isa noho izany ny Jiosy malagasy ara-pivavahana. Tamin' ny volana Mey 2016 no nisy Malagasy miisa 121 noraisina ho amin' ny jodaisma.

Ireo fivavahana hafa hanova

Hindoisma eto Madagasikara hanova

 
Hindoisma

Taty aoriana vao niditra teto Madagasikara ny hindoisma tamin' ny alalan' ireo mpifindra monina avy any Saurashtra any India tamin' ny faran' ny taonjato faha-19. Ny ankabetsahan' ny Hindoa eto Madagasikara dia miteny gojaraty sy hindy. Vitsy ny Hindoa eto Madagasikara ka ny ankamaroany dia mpandraharaha moninana eto Madagasikara efa hatramin' ny taranaka maro nifandimby[9].

Fampifangaroana finoana hanova

Amin' izao fotoana izao dia mbola misy ireo Malagasy izay mampirafy finoana ka mampifangaro ny fivavahana kristiana na silamo na hafa amin' ny fivavahan-drazana. Ohatra raha misy maty dia entina any am-piangonana ny razana avy eo rehefa any am-pasana dia atao ny fandevenana manaraka fomban-drazana na antsoina ny mpitondra fiangonana hanome endrika kristiana ny famadihana [10].   

Jereo koa hanova

Finoana sy fomba malagasy:

Fivavahana eto Madagasikara:

Hafa

Azo anovozan-kevitra hanova

Fivavahan-drazana

  • Sophie Blanchy, Jean-Aimé Rakotoarisoa, Philippe Beaujar, Chantal Radimilahy (dir.), Les dieux au service du peuple, Paris, Éditions Karthala, coll. « Religions contemporaines », 2006, 536 p

Fivavahana jiosy

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Blanchy Sophie, Les dieux au service du peuple : itinéraires religieux, médiations, syncrétisme à Madagascar, Paris, Karthala, 2006, 536 p. (ISBN 978-2-84586-739-0 et 2-84586-739-5, Vakio eto [Tahiry])
  2. "International Religious Freedom Report for 2014" [tahiry], sur www.state.gov (notsidihina ny 06 Marsa 2018)
  3. "Religious freedom" www.state.gov [tahiry]
  4. Features.pewforum.org global-christianity-Madagascar, Orthodox Archived Jolay 19, 2014 at the Wayback Machine [tahiry]
  5. "Madagascar", Facts and Statistics, Newsroom, LDS Church, notsidihina 10/03/2013
  6. The Future of the Global Muslim Population - Madagascar [archive]
  7. Renaud Girard, "Madagascar, nouvelle terre de conquête des islamistes" [tahiry], Le Figaro, 20/10/2017, p. 17.
  8. "Most Baha'i Nations (2005)" Archived Aprily 14, 2010 at the Wayback Machine. QuickLists > Compare Nations > Religions >. The Association of Religion Data Archives. 2005. Nojerena 04/07/2009
  9. "International Religious Freedom Report 2006" Tahiry tamin'ny 21/01/2012 ao amin'ny U.S. Department of State
  10. Bearak, Barry (5 September 2010). "Dead Join the Living in a Family Celebration". New York Times. p. A7. (Tahiry)