Fiteny vôlôfo

(tonga teto avy amin'ny Fiteny wolof)

Ny fiteny vôlôfo na fiteny oôlôfo dia fiteny any Senegaly, any Gambia ary any Maoritania. Ao amin' ny sampana atlantikan' ny fiteny nizerô-kôngôley izy. Lavitra be amin' ny fiteny peola ny endriny. Manana fifandraisana amin' ny fitenin' ny faritra eo akaiky izy toy ny fiteny serere, ny fiteny diola, ny fiteny basary ary ny fiteny bainoka izy.

Ny fiparitahan' ny mpiteny vôlôfo (miloko maintso)
Mpiteny vôlôfo

Misy miteny io fiteny io koa any Gambia sy any Maoritania, ary manana fiseho ara-kolontsaina azy manokana izy. Miankina amin' ny firaisan-kinany io; mifankazo tsara ny mpitenin' ny faritra, ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny roky sy ny teny indramina amin' ny fiteny hafa, ohatra: roky lebo, roky saint-louiien, sns.

Fomba fanoratana hanova

Nosoratana tamin' ny abidy arabo nofenoina ny fiteny vôlôfo mandritry ny ela be. Mbola ampiasaina amin' ny soratra masina ny soratra arabo, fa mampiasa ny abidy latina ny fiteny vôlôfo ankehitriny, fitsipika manokana hajaina mba hanoratra tsara ny fiteny vôlôfo.

Fomba fanisana hanova

Tafolo ny rafi-panisana amin' ny fiteny vôlôfo, fa mampiasa rafitra tadimy fanampiny koa izy: ny hoe "enina amby roapolo" ohatra dia tenenina hoe ñaar fukk ak juroom benn amin' ny fiteny vôlôfo, ara-bakiteny: "roa folo sy dimy sy raika": (2×10) + 5 + 1.

Abidy ara-peo hanova

Renifeo hanova

  Vondrona p Vondrona f Vondrona w Vondrona t Vondrona k Vondrona kj Vondrona q
manentsina p b     t d c j k g q
kentsona m     n ñ ŋ  
kentsona-mantentsina mb     nt nd nc nj nk ng nq
mipararetra       r      
manery   f   s   x  
mitsoka     w   y    
misisiny       l      

Zanapeo hanova

  Aloha Afovoany Aoriana
mihidy i   u
mihidy an-tsasany é   ó
Anivo   ë  
mivoa an-tsasany e   o
mivoa   a  

Jereo koa hanova

Fiteny be mpampiasa ao Afrika hanova

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.