Ny fiteny tsadika dia sampan' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika ahitana fiteny maro tenenina ao Afrika, tenenin' ny olona miisa 80 tapitrisa, indrindra fa ao tapany avaratra amin' i Nizeria, ao amin' ny tapany atsimo amin' i Nizera, ao amin' ny tapany atsimo amin' i Tsady ary ao amin' ny tapany avaratra amin' i Kamerona. Ny fiteny haosa izay fiteny tsadika be mpiteny indrindra (77 tapitrisa) dia tenenina ao Nizeria sy ao Nizera.

Sarintany mampiseho ny fitsinjaran'ny fiteny hamito-semitika: ny loko maitso mampiseho ny fiteny tsadika.

Araka an' i Hayard dia azo zaraina ho vondrona efatra ny fiteny tsadika, dia:

  • ny fiteny tsadika andrefana: fiteny haosa, fiteny ankoe, fiteny angasa, fiteny perô;
  • ny fiteny bio-mandara: fiteny dogvôra, fiteny goda, fiteny mafa, fiteny mbodoma, fiteny mosgoma, fiteny tsovàna, fiteny zizilivakàna, fiteny zolgô-gemzeka;
  • ny fiteny tsadika atsinanana: fiteny dangaleata, fiteny bidio, fiteny migaama, fiteny tomaka, fiteny somaray, fiteny sôkôrô, fiteny saba;
  • ny fiteny masa avaratra (fiteny marba, fiteny masa, fiteny mosey, fiteny zomaia) sy ny fiteny masa atsimo (fiteny herde, fiteny mesme, fiteny ngete, fiteny peve);
  • ny fiteny môfo godora sy ny fiteny môfo atsimo (fiteny marey, fiteny môfo-mery, fiteny môfo-dovangara, fiteny dogvora).

Jereo koa hanova

Sampam-piteny ao amin' ny finakaviam-piteny hamitô-semitika

Hafa