Ny fiteny sindý dia fiteny ao Sindy, ao Azia Atsimo, izay lasa faritanin'i Pakistàna. Fiteny indo-ariana isan'ireo fiteny indo-eoropeana ny fiteny sindý izay ampiasain'ny Pakstaney miisa 17 000 000 any ho any ary Indiana miisa 2 800 000 any ho any koa. Fiteny ofisialin'i Pakistàna sy India ny fiteny sindý. Azo soratana amin'ny tarehin-tsoratra arabo (avy amin'ny abidy arabo) na amin'ny devanagry ny fiteny sindý. Soratana hoe سنڌي (arabo) na सिन्धी (devanagry) izay samy vakina hoe sindhī izy amin'io fiteny io.