Ny fiteny nepaley dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-iraniana tenenina ao Nepaly, any India ary any Botàna. Izy no fiteny ôfisialin' i Nepaly. Ao India dia mihoatra ny 2 000 000 ny isan' ny olona miteny nepaley amin' ny maha fitenin-dreny azy izay nahatonga ity fiteny ity ho fitenin' ny asam-panjaka, ary fiteny ôfisialin' ny fanjakan' i Sikkim any India. Soratana amin' ny endri-tsoratra devanagary ny fiteny nepaley, mitovy amin' ny an' ny fiteny hindy. Fitenin-drenin' ny olona miisa 12 000 000 any ho any ny fiteny nepaley ao Nepaly (45 %n' ny mponina nepaley izany). Mihoatra ny kely ny 35 000 000 ny olona miteny nepaley maneran-tany. Maro ny anarana iantsoana ny fiteny nepaley: fiteny kaskora (kashkura), fiteny gôrkaly (gorkhali na gurkhali), fiteny nepaly (nepali), fiteny parnatia (aprbatiya).

Jereo koa hanova