Fiteny letôna

fiteny

Ny fiteny letôna na fiteny latviana dia anisan' ireo fiteny balta, izay sampan' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Lasa fiteny ôfisialin' i Letônia na Latvia ny fiteny letôna nanomboka tamin' ny taona 1918. Manakaiky tanteraka ny fiteny litoaniana ny fiteny letôna nefa niharan' ny fiovam-panononana io izy nandritra ny fivoarany. Manakaiky ny 2 000 000 ny olona miteny letôna. Mizara ho fitenim-paritra roa ny fiteny letôna, dia ny fiteny letôna ambony sy ny fiteny letôna andrefana izay ampiasaina amin' ny literatiora ankehitriny.