Fiteny kiniaroanda

Ny fiteny kiniaroanda dia fiteny banto izay tetenin' ny vahoaka ao amin' ny tapany iray amin' ny faritry ny Farihy Lehibe ao Afrika, Fitenim-pirenena izy ao Roanda ka saika ny vahoaka roandey manontolo no mampiasa azy (11 000 000 any ho any), izay ahitana fiovana isam-paritra, indrindra ao avaratra sy ao atsimon' i Roanda. Tenenina ao amin' ny tapany atsimon' i Oganda sy ao amin' ny tapany avarara-andrefan' i Tanzania ary ao amin' ny tapany atsinanan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô koa ity fiteny ity. Ny fiteny kirondy izay tenenina ao Borondy (misy mpiteny miisa 9 000 000 any ho any) dia fiteny akaiky dia akaiky ny fiteny kiniaroanda, toraka izany koa ny fiteny giha izay tetenina ao amin' ny faritra andrefana amin' i Tanzania (misy mpiteny miisa 1 000 000 any ho any).

Jereo koa hanova