Ny fiteny irlandey, izay atao hoe fiteny gaelikan'i Irlandy na fiteny gaelika irlandey, dia fiteny seltika ao amin'ny vondrom-pitenin'ireo fiteny gaelika izay tenenina ao amin'ny nosin'i Irlandy hatramin'ny niavian'ireo Gaela. Io no fiteny ofisialin'i Irlandy ka ny manaraka azy ao dia ny fiteny anglisy sady fitenim-paritra izy ao Irlandy Avaratra araka ny Dina eoropeana momba ny fitenim-paritra na fitenin'ny vitsy anisa. Lasa fiteny ofisialy ao amin'ny Vondrona Eoropeana izy tamin'ny 13 Jona 2005 ary izany fanapahan-kevitra izany dia nanomboka nanan-kery tamin'ny 01 Janoary 2007. Ireo faritra vitsivitsy mbola misy mpiteny irlandey dia atao hoe Gaeltachtaí.