Fiteny indô-ariana

(tonga teto avy amin'ny Fiteny indo-ariana)

Ny fiteny indô-ariana dia ny fiteny mamorona sampana iray ao amin' ny vondrom-piteny indô-iraniana, izay ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo: eo amin' ny roa ampahatelo avaratr' i India, ao Pakistàna, ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Afganistàna, ao Bangladesa, ao Nepaly, ao Srilanka ary ao Maldiva.

Antsasaky ny fitambaran' ny mponina miteny indô-eorôpeana ny mpiteny indô-ariana, izany hoe any amin' ny 1 500 000 000 any ho any. Ny tena maro mpampiasa dia ny fiteny hindostany (fiteny hindy sy fiteny ordo: olona miisa 240 000 000 any ho any), ny fiteny bengaly (olona 230 000 000 any ho any), ny fiteny penjaby (olona 90 000 000 any ho any), ny fiteny maraty (olona 70 000 000 any ho any), ny fiteny gojaraty (olona 45 000 000 any ho any), ny fiteny ôrià na ôdià (olona 30 000 000 any ho any), ny fiteny sindy (olona 20 000 000 any ho any), ny fiteny nepaley (olona 14 000 000 any ho any), ny fiteny singaley (olona 16 000 000 any ho any), ny fiteny seraiky (olona 14 000 000 any ho any), ary ny fiteny asamey (olona 13 000 000 any ho any).

Zana-bondrona lehibe indrindra ao amin' ny ftambaran' ny fiteny indô-iraniana - izay ahitana koa zana-bondrona roa hafa, dia ny zana-bondrona foronin' ny fiteny iraniana sy ny an' ireo fiteny noristany - ny fiteny indô-ariana.

Ny fiteny indô-ariana hanova

Ny fiteny hindostany hanova

Ny fiteny hindy

Ny fiteny hindỳ dia tenim-pirenen' i India. Amin' ny lafiny ofisialy, nampiasaina ho lingua franca any India ny fiteny hindỳ, kanefa 40 %n' ny olona fotsiny no mampiasa io fiteny io any India. Any avaratr' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny hindỳ.

Ny fiteny ordo

Ny fiteny ordò dia fiteny any Pakistana sy any India, mitovitovy be amin' ny fiteny hindy izy fa soratana amin' ny abidy arabo. Betsaka ny teny indramin' ny fiteny ordò amin' ny fiteny persana sy fiteny arabo, ary nanampy feo vaovao ireo fiteny ireo tao anatin' ny rafi-peony. Nanalavitra ny fiteny hindy ny fiteny ordò tamin' ny fisarahan' i India sy i Pakistana tamin' ny taona 1947. Ny fiteny ordò no fiteny fahatelo ambin' ny folo na iraika ambin' ny folo lehibe indrindra eto an-tany.

Ny fiteny bengaly hanova

Ny fiteny bengaly dia Any Bangladesy sy any India atsinanana. Tenim-pirenena izy any Bangladesy ary anisan' ny teny ôfisialin' i India, indrindra any amin' ny faritanin' i Bengaly Andrefana sy any Tripura. Araka ny fanontan' ny World Almanac 1999, ny teny bengaly no tenin-drenin' ny olona miisa 207 tapitrisa. Fiteny indô-eorôpeana any atsinanana indrindra ny fiteny bengaly sy ny fiteny asamesa. Manana abjady (na abogida) azy manokana ny fiteny bengaly. Betsaka ny voambolana bengaly avy amin' ny fiteny sanskrita sy avy amin' ny fiteny arabo sy fiteny persana.

Ny fiteny penjaby hanova

Ny fiteny penjaby na ponjaby dia tenenin' ny vahoaka Ponjaby any amin' ny Faritra Punjab any Pakistàna (ampiasain' ny olona miisa 80,5 tapitrisa tamin' ny taona 2017) sy any India (ampiasain' ny olona miisa 31,1 tapitrisa tamin' ny taona 2011). Maneran-tany dia misy mpiteny teratany miisa 113 tapitrisa eo ho eo ny fiteny penjaby. Ao Pakistana, ny fiteny ponjaby dia soratana amin' ny abidy shahmukhi, mifototra amin' ny soratra persô-arabo; any India, dia soratana amin' ny abidy gurmukhi izy io, mifototra amin' ny soratra indika brahmika.

Ny fiteny maraty hanova

Ny fiteny maraty dia teny ampiasain' ny olona miisa 75 tapitrisa any India, indrindra ao amin' ny fanjakan' iMaharashtra sy Goa. Ny fiteny maraty dia iray amin' ireo fiteny ôfisialy any India.

Ny fiteny gojaraty hanova

Ny fiteny gojaraty no fiten' ny tompontanin' i Gujarat. Misy olona 46 tapitrisa no miteny gojaraty any India sy maneran-tany. Ny fiteny gojaraty no tenin-drenin' i Mohandas Gandhi, i Ali Jinnah ary i Sardar Vallabhbhai Patel.

Ny fiteny odià hanova

Ny fiteny ôdià na fiteny ôrià dia ampiasaina ao amin' ny fanjakana indianan' i Odisha. Io no fiteny ôfisialy ao Odisha, izay ampiasain' ny 82 %n' ny mponina ao, ary ampiasaina any Bengaly Andrefana sy Jharkhand ary Chhattisgarh. Iray amin' ny fiteny ôfisialy maro ao India ny fiteny ôdià; io no fiteny ôfisialy faharoa any Jharkhand. Io fiteny io koa dia ampiasain' ny mponina be dia be miisa iray tapitrisa farafahakeliny ao Chhattisgarh. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2011 dia ny fiteny ôdià no fitenin-drazan' ny Indiana miisa maherin' ny 37 tapitrisa ka ny 35 tapitrisa eo no ao Odisha.

Ny fiteny sindý hanova

Ny fiteny sindý dia fiteny ao Sindy, ao Azia Atsimo, izay lasa faritanin' i Pakistàna, ampiasain' ny Pakstaney miisa 17 000 000 any ho any ary Indiana miisa 2 800 000 any ho any koa. Fiteny ôfisialin' i Pakistàna sy i India ny fiteny sindý. Azo soratana amin' ny tarehin-tsoratra arabo (avy amin' ny abidy arabo) na amin' ny devanagry ny fiteny sindý.

Ny fiteny nepaley hanova

Ny fiteny nepaley dia fiteny tenenina ao Nepaly, any India ary any Botàna. Izy no fiteny ôfisialin' i Nepaly. Ao India dia mihoatra ny 2 000 000 ny isan' ny olona miteny nepaley amin' ny maha fitenin-dreny azy, ary fiteny ôfisialin' ny fanjakan' i Sikkim any India izy. Fitenin-drenin' ny olona miisa 12 000 000 any ho any ny fiteny nepaley ao Nepaly (45 %n' ny mponina nepaley izany). Mihoatra ny kely ny 35 000 000 ny olona miteny nepaley maneran-tany. Soratana amin' ny endri-tsoratra devanagary ny fiteny nepaley, mitovy amin' ny an' ny fiteny hindy.

Ny fiteny singaley hanova

Ny fiteny singaley dia fiteny ôfisialy any Srilanka satria maherin'ny 70 %n' ny olona mipetraka any no miteny singaley. Ny fiteny singaley dia fitenin' ny vahoaka srilankey any Azia Andrefana, an Aostralia, any Eorôpa (Angletera, Frantsa, Italia) ary any Amerika Avaratra, ny totalin' ny mpiteny singaley dia 19 tapitrisa eo ho eo.

Ny fiteny seraiky hanova

Ny fiteny seraiky na fiteny saraiky dia fiteny ampiasaina any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny faritanin' i Punjab (na Penjab) ao Pakistàna. Ny mpiteny seraiky dia afaka mifankahazo resaka amin' ny mpiteny ponjaby. Ny fiteny saraiky dia fitenin' ny olona miisa 25,9 tapitrisa ao Pakistàna, manomboka any amin' ny faritra atsimon' i Punjab, atsimon' i Khyber Pakhtunkhwa, ary faritra an-tsisintany any avaratr' i Sindh sy atsinanan' i Balotsistàna. Ny mpiteny saraiky no vondrom-poko ara-piteny fahefatra lehibe indrindra ao Pakistàna.

Ny fiteny asamey hanova

Ny fiteny asamey dia fiteny any amin' ny faritany mizakatenan' i Assam any avaratra atsinanan' i India, misy miteny io fiteny io koa any Arunachal Pradesh sy any amin' ny firenena hafa any avaratra-atsinanan' i India. Misy olona miteny asamey koa any Botàna. Izy no tena atsinanana indrindra amin' ny fiteny indô-eorôpeana ary misy olona 13 tapitrisa no miteny io fiteny io. Manana fomba fanoratana azy manokana izy, ampiasaina matetika rehefa manoratra io fiteny io.

Jereo koa hanova