Fiteny hôlandey

(tonga teto avy amin'ny Fiteny holandey)

Ny fiteny hôlandey dia vondrom-pitenim-paritra neerlandey tenenina indrindra ao amin' ny faritanin' i Hôlanda Atsimo sy ao Hôlanda Avaratra ary any Utrecht. Ireo tenim-paritra ireo dia avy amin' ny fiteny fransika izay nifangaro amin' ny singa avy amin' ny fiteny friziana (na frizôna) izay efa tratrany teo, ka io no fototry ny fiteny neerlandey ara-penitra. Mizara ho vodrona teno lehibe ny fiteny hôlandey, dia ireo fitenim-paritra avaratra sy ireo fitenim-paritra atsimo ary ireo fitenim-paritr' i Utrecht.

Misy anefa ny olona miantso ny fiteny neerlandey amin' ny hoe "fiteny hôlandey" nefa tsy mitombina izany fiantsoana izany.