Ny fiteny gilaky, izay atao hoe fiteny gilany koa, dia fiteny iraniana ao amin'ny faritanin'i Gilan (na Guilan) ao Iràna. Fiteny ao amin'ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin'ny sampana indô-iraniana, ao amin'ny zana-tsampana iraniana izy. Miseho amin'ny endrika telo ny fiteny gilaky, dia ny fiteny gilaky andrefana sy ny fiteny gilaky atsinanana ary ny fiteny gilaky tabary. Akaiky dia akaiky ny fiteny mazandarany ny fiteny gilaky raha amin'ny lafiny voambolana fa akaiky ny fiteny zazaky amin'ny lafiny rafi-piteny. Miisa 3 600 000 any ho any ny mpiteny gilaky tamin'ny taona 1993.

Mpanjono ao amin'ny faritanin'i Gilan (Guilan)

Jereo koa hanova