Ny fiteny flamanda dia vondron-pitenim-paritra neerlandey, izay isan'ny sampam-piteny jermanika. Amin'ny heviny mifintina dia atao hoe fiteny flamanda ireo fitenim-paritra tenenina ao amin'ny Flandra, dia ny fiteny flamanda andrefana sy ny fiteny flamanda atsinanana. Amin'ny heviny mivelatra dia antsoina amin'ny hoe fiteny flamanda koa ny fitenim-paritra neerlandey tenenina ao Belzika, dia ny fiteny flamanda atsinanana sy ny fiteny flamanda andrefana ary ny fiteny limborgesy. Misy ny mampiasa ny hoe fiteny flamanda hanondroana ny fiteny neerlandey nefa tsy tena mitombina izany fanondroana izany.