Fiteny ferôiana

(tonga teto avy amin'ny Fiteny feroiana)

Ny fiteny ferôiana dia fiteny jermanika ao amin' ny zana-bondrona andrefana ao amin' ny fiteny skandinaviana. Ao amin' ireo nosy Feroe no tena itenenana azy nefa ny Ferôiana ao Danemarka koa dia miteny azy ka manakaiky ny 80 000 ny mpiteny azy. Noho ny tsy fitoviam-panononana misy eo amin' ny fiteny islandey sy ny fiteny ferôiana dia tsy mifankahazo fiteny ny mpiteny ireo fiteny roa ireo nefa mitovy ny fanoratana azy.

Ny toerana misy ny tangoro-nosy Feroe, izay anisan' ny Fanjakan' i Danemarka