Fiteny babilôniana

(tonga teto avy amin'ny Fiteny babiloniana)

Ny fiteny babilôniana dia anarana intsoana ny endriky ny fiteny akadiana (fiteny semitika) notenenina tao Babilônia nanomboka tamin' ny fiantombohan' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Nampiasain' ireo mpanoratra sy tamin' ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena tao Atsinanana Akaiky ny fiteny babilôniana. Mizara efatra ny tantaram-pivoaran' ny fiteny babilôniana izay ahitana ny fiteny babilôniana taloha (taona 1950 - 1530 tal. J.K.), ny fiteny babilôniana antenatenany (taona 1530 - 1000 tal. J.K.), ny fiteny babilôniana vaovao (taona 1000 - 600 tal. J.K.) ary ny fiteny babilôniana taoriana (taona 600 - 100 tal. J.K.).

Jereo koa hanova