Ny fiteny asiriana dia fiteny semitika, sampan' ny fiteny akadiana, notenenina sy nosoratana tao Asiria tamin' ny Andro Taloha sady fantatra noho ny fisian' ny soratra be dia be amin' ireo zava-boaorina sy amin' ny tanimanga fanoratana amin' ny tarehin-tsoratra miendri-pantsika. Ny maha samy hafa ny fiteny asiriana sy ny fiteny babilôniana (samy sampan' ny fiteny akadiana) dia misongadina indrindra amin' ny lafiny fanononana.

Azo zaraina telo ny tantaram-pivoaran' ny fiteny asiriana ka ahitana ny fiteny asiriana taloha (taona 1950 - 1750 tal. J.K.) sy ny fiteny asiriana antenatenany (taona 1500 - 1000 tal. J.K.) ary ny fiteny asiriana vaovao (taona 1000 - 600 tal. J.K.).

Jereo koa: hanova