Ny fiteny ao Borondy dia ahitana ny fiteny kirondy, ny fiteny frantsay, ny fiteny soahily, ny fiteny anglisy ary fiteny maro hafa. Ny fiteny ôfisialin' i Borondy dia ny fiteny kirondy sy ny fiteny frantsay. Latsaky ny 10 %n’ ny mponina no miteny frantsay, dia ireo avara-pianarana ao Borondy eny an-tanàn-dehibe. Ny fiteny soahily dia fitenim-pampianarana manampy ny fiteny frantsay sy ny fiteny kirondy na dia tsy isan' ny fiteny ôfisialin' i Borondy aza izy. Ny fiteny soahily dia tenenin' ny mpanao raharaham-barotra eny an-tanàn-dehibe. Tamin' ny volana Aogositra 2014 dia nolanin' ny Antenimieram-pirenena borondey fa hatao fiteny ôfisialy fahatelo ny fiteny anglisy, nefa mbola tsy nataon' ny filoham-pirenena sonia ny lalàna momba izany.

Jereo koa hanova