Ny firamainty dia singa ara-tsimia mitondra ny laharana atômika 82 araka ny firaketan' i Mendeleiev, sy ny eva Pb (fanafohezana ny teny latina hoe Plumbum). Metaly mora volavolaina ny firamainty, izay miloko volombatolalaka manopy manga, izay mihafotsy moramora rehefa mitombo ny ôksizenina ao aminy (izany hoe doroana). Izy no mavesatra indrindra amin' ireo singa marin-toerana. Mitsonika ny firamainty rehefa mahatratra 328° C ny hafanany, ary mangotraka rehefa mahatratra 1 740°C. Manana hakitroka 11,34 izy.

Firamainty

Jereo koa hanova