I Filipy dia tanana ao Makedonia atsinanana naorin'i Filipo II, mpanjakan'i Makedonia, tamin'ny taona 356 tal. J.K. eo amin'ny misy ny tanàna kelin'i Kavala ao Grisia ankehitriny. Amin'ny teny grika dia atao hoe Φίλιπποι / Phílippoi io tanàna io.

Dingana lehibe eo amin'ny lalana Egnata[1] ny fandalovana ao Filipy na dia tanàna tsy dia lehibe loatra aza izy. Manana ny maha izy azy ara-tantara io tanàna io noho ny antony roa. Ny voalohany dia ny ady tao Filipy teo amin'ny mandany tamin'ny taona 42 tal. J.K. ka nahazoan'ny mpandova an'i Jolio Kaisara ny fandresena. Ny faharoa dia ny toriteny nataon'i Paoly tamin'ny taona 40 na 50 taor. J.K. izay niteraka ny fanoratan'i Paoly ny Epistily na Taratasy ho an'ny Kristiana tao Filipy, izay lahatsoratra nakambana ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly kristiana; ny sata maha "fanorenana apostolika" omen'io lahatsoratra io ilay tanàna no nahatonga ny lazan'i Filipy nandritra ny fotoana faramparany tamin'ny Andro Antenantenany, ary izany koa ny antony mampandroso ny fizahan-tany ao amin'io tanàna io ankehitriny.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Ny lalana Egnata dia lalana mamakivaky ny Balkana, nohavaozin'ny Romana tamin'ny taona 146 eo ho eo, izay efa lalana makedoniana nisy taloha, .