Filazantsaran' i Tômasy

(tonga teto avy amin'ny Filazantsaran'i Tomasy)

Ny Filazantsaran' i Tômasy na Evanjelin' i Tôma dia filazantsara na evanjely tsy voaray ao anatin' ny Baiboly kristiana sady tsy ahitana afa-tsy izay atao hoe "tenin' i Jesoa" (λόγια / logia amin' ny teny grika; λόγιον/ logion raha milaza tokana) miisa 144. Nosokajin' ny Fiangonana Lehibe ho apokrifa (na pseodepigrafa) izy ka tsy hita intsony raha tsy tamin' ny Desambra 1945 tany Nag Hammadi any Ejipta. Ny logion tsirairay dia matetika no ialohavan' ny hoe "Hoy i Jesoa". Fifangaroana karazana lahateny io boky io ka ny "tenin' ny Tompo" tsirairay dia mety ho oha-pitenenana na tenim-pahendrena na tenim-paminaniana na teny momba ny andro farany na momba ny lalàna na momba ny fiangonana na fanoharana. Ny 79 amin' ireo "tenin' ny Tompo" ireo dia ahitana ny mifanandrify aminy ao amin' ny Filazantsara sinôptika - indrindra ao amin' ny Filazantsaran' i Matio sy ny Filazantsaran' i Lioka.

Tsy voaresaka ao ny nahaterahan' i Jesoa na ny nahafatesany na ny fitsanganany tamin' ny maty.

Ireo olona nampiasa an' io boky io dia nino fa i Tômasy na i Tôma mpianatr' i Jesoa no nanoratra azy. Ny tena lohatenin' ilay soratra dia ny hoe: Ny Teny miafin' i Jesoa nosoratan' i Tômasy. Olona atao hoe Didimo Joda Tômasy no voalaza ao amin' io evanjely io ho nanoratra azy araka ny andian-teny fiantombohany: "Indreto ny teny miafina nolazain' i Jesoa ilay Velona izay nosoratan' i Didimo Joda Tômasy". Ny teny semitika hoe thoma na ny grika hoe didymos dia midika hoe "kambana" ka azo tsorina ho "Joda ilay Kambana" io anarana io.

Jereo koa hanova

Boky amin' ny anaran' i Tômasy: