Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy

(tonga teto avy amin'ny Fikomiana lehibe nataon'ny Jiosy)

Ny Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy na Fikomiana voalohany nataon' ny Jiosy na Ady voalohany teo amin' ny Jiosy sy ny Rômana dia fikomiana niseho teo anelanelan' ny taona 66 taor. J.K. sy ny taona 73 taor. J.K. Iray amin' ny fikomiana telo nataon' ny Jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea (na Jodia) hanoherana ny Empira Rômana izany, araka ny fitantaran' i Flavio Jôsefa. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe המרד הגדול / ha-Mered Ha-Gadol ("fikomiana lehibe") izany fikomiana izany. Ny fikomiana telo resahina eto, dia misy koa Adin' i Kitôsy (taona 115–117) sy ny fikomian' i Bar-Kokhba (taona 132-135).

Nipoaka izany fikomiana izany vokatry ny tsy fifanarahana momba ny fivavahana niseho teo amin' ny Grika sy ny Jiosy, izay nitombo hatranihatrany. Tamin' ny nahatongavan' ny legiôna rômana Titosy (ilay lasa emperoran' i Rôma taty aoriana) nanao fahirano sy nandroba ary nadrava an' i Jerosalema sy ny Tempoly tamin' ny taona 70 taor. J.K. Taoriana kelin' izany ihany koa no nadravan' ny Rômana ny toeram-pamaharan' ny Jiosy (indrindra i Gamla tamin' ny taona 67 sy i Masada tamin' ny taona 73).