Fiitatry ny isam-ponina

Ny atao hoe fiitatry ny isan'ny mponina na fiitatra demografika dia midika ny fiovan'ny isan'ny mponina arakaraky ny fotoana isiana.

Ny tahamp-piitarana demografika isaky ny firenena
Ny tahamp-piitarana demografika isaky ny firenena

Ny fiitatry ny isan'ny mponina dia voazara ho fizarana roa :

  • Ny voalohany dia ny fiitatra natoraly ; miankina amin'ny isan'ny olona teraka sy ny isan'ny olona maty isaky ny mponina arivo ao anatin'ny velarantany nofaritana ary anatin'ny fe-potoana iray (matetika herintaona no ampiasaina).
  • Ny faharoa dia ny fiitatra noho ny fifindra-monina ; miankina amin'ny fiitatra natoraly sy ny isan'ny mponina tonga ao anatin'ny velarantany nofaritana ary ao anatin'ny fe-potoana iray.

Raha miiba ny tambatr'ireo fiitatra roa irao. Mihena ny isam-ponina. Mety tsy mitombo mihitsy koa ny isan'ny mponina ary rehefa izany dia atao hoe "tsy-fiitarana".

Taham-piitarana demografika hanova

Amin'ny demografia, ny "taham-piitarana demografika" dia mamisavisa ny fiitaran'ny isan'ny mponina.

Fiitatry ny isam-ponina tao amin'ny Tantara hanova

 
Fiitatry ny isam-ponina manerana ny tany

Tamin'ny enina alina arivo taona talohan'i Jesoa Kristy hatramin'ny dimy arivo taona TJK, enina na valo tapitrisa teo ho eo ny isam-ponina. Niitatra ho zato tapitrisa izy tamin'ny taon'ny varahina ary roanjato tapitrisa izy teo amin'ny taona medievaly, nihamafy ny fiitatry ny isam-ponina tamin'ny taonjato faha 19 noho ny ezaka natao tamin'ny lafin'ny toe-karena ary tamin'ny lafin'ny fahasalamana. Ankehitrio, ny fiitaran'ny isan'ny mponina manerana ny tany dia efatra ambin'ny fitopolo tapitrisa tapitrisa isan-taona.

Ny fiitatry ny isan'ny mponina maneran-tany hanova

 
Ny isam-ponina ao Madagasikara

Tamin'ny taona enina sy roa arivo, ny taham-piitatra demografika manerana ny tany dia 1,14 isan-jato isan-taona. Noho izany, ny fiitaran'ny isan'ny mponina dia 203 800 isan'andro ary 74 tapitrisa manerana ny tany, in-efatry ny isan'ny mponin'i Madagasikara.

Nihanihena ny taham-piitatra demografika hatry ny taona 1970 ; ny taham-piitatra ngeza indrindra tamin'ny taonjato faharoapolo dia tamin'ny taona 1960 : tamin'izany fotoana izany ny taham-piitarana dia nahatratra ny 2,0% isan-taona. Ny fiitatry ny isan'ny mponina dia tsy hoe mitovy daholo manerana ny tany, fa miovaova arakaraky ny faritany sy ny firenena.

  • Mbola ambony ny taham-piitarana demografika eny amin'ny Afrika Sobsahariana ary any Azia Andrefana.
  • Efa miiba ny fiitaran'ny isan'ny mponina eny amin'ny firenena mandroso sasantsasany, any Eoropa Atsinanana sy any Eoropa andrefana ohatra.
  • Ny anton'ny tsy-fiitaran'ny isan'ny mponina any Afrika Atsimo dia ny fahafatesana vokatry ny SIDA
  • Afaka taona maromaro, hihena noho ny olona tsy miteraka intsony ny isan'ny mponina ao Japana sy any amin'ny firenena any Eoropa Atsinanana.