Fiangonana Ôrtôdôksan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo

Ny Fiangonana Ôrtôdôksan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo na Fiangonana Ôrtôdôksa Grikan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo na Fiangonana Ôrtôdôksa Tandrefan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo dia sampana mahaleotenan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana izay misahana ny Kristiana ôrtôdôksa any Ejipta sy eran' ny kôntinentan' i Afrika.

Diosesy sy Arsidiosesin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Grikan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo

Atao hoe "Patriarkan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo" ny lehiben' io fiangonana io izay mitoetra ao Aleksandria ao Ejipta. Atao hoe Πατριαρχείο Aλεξανδρείας και πάσης Aφρικής (Patriarkheîon Aleksandreías kaì pásēs Aphrikês) izy amin' ny teny grika. Ny fiteny grika sy soahily sy anglisy sy arabo sy frantsay ary fiteny isam-paritra maro hafa koa no ampiasaina amin' ny fotoam-pivavahana.

Araka ny lovantsofina dia ny evanjelista Marka no mpanorina ny Fiangonana ôrtôdôksan' i Aleksandria. Ny Lionan' i Masindahy Marka no sary famantarana ny Fiangonana Grika Ôrtôdôksan' i Aleksandria. Miofana ao amin' ny Akademia telo ao Aleksandria sy ao Nairobi ary ao Kinhsasa ny mpitondra fiangonana.

Hatry ny ela dia tao Ejipta sy tao amin' ireo Grika sy Sirô-libaney am-pielezana aty Afrika ihany no nisy fiangonana ôrtôdôksa fa am-polo taonany maro izay no nitomboany aty Afrika atsimon' i Saharà. Tokony ho 250 000 eo ny isan' ny mpivavaka ao. Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Grikan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo dia tsy afangaro amin' ireo Fiangonana ôrtôdôksa hafa ao Aleksandria toy ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i Aleksandria na Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanan' i Aleksandria.

Fandaminana hanova

Ireto avy ireo sampan' ny Fiangonana Ôrtôdôksan' i Aleksandria sy Afrika Manontolo raha aseho isaky ny faritra misy azy:

Ao Ejipta:

  • Arsevese Patriarkalin' i Aleksandria
  • Metrôpôlin’ i Hermôpôlisy
  • Metrôpôlin’ i Memfisy
  • Metrôpôlin’ i Pelosa
  • Metrôpôlin’ i Leôntôpôlisy
  • Metrôpôlin’ i Ptôlemaisy

Ao Afrika Atsinanana:

  • Metrôpôlin’ i  Kartoma sy Sodàna manontolo
  • Metrôpôlin’ i  Aksoma
  • Metrôpôlin’ i  Irinôpôlisy
  • Metrôpôlin' i  Moanza
  • Metrôpôlin’ i Kenia
  • Metrôpôlin’ i Kampala sy Oganda manontolo

Ao Afrika Atsimo:

  • Metrôpôlin’ i Iôanôpôlisy sy Pretoria
  • Metrôpôlin’ i Bonne-Espérance
  • Metrôpôlin’ i Zimbaboe
  • Metropolin’ i Zambia sy Malaoy
  • Evesean’ i Môzambika
  • Metrôpôlin' i Madagasikara
  • Evesean’i Botsoana

Ao Afrika Afovoany sy Andrefana:

  • Metrôpôlin' i Akra sy Afrika Andrefana
  • Metrôpôlin’ i Nizeria
  • Metrôpôlin’ i Kamerona
  • Metrôpôlin’ i Afrika Afovoany
  • Evesen’ i Siera Leôna
  • Evesen’ i Katanga
  • Evesen’ i Roanda sy Borondy

Ao Afrika Avaratra-Andrefana:

  • Metrôpôlin’ i Tripoli
  • Metrôpôlin’ i Kartazy

Jereo koa hanova