Fianakaviam-piteny sinô-tibetana

(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny sino-tibetana)

Ny fiteny sinô-tibetana dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo. Isan' io fianakaviam-piteny io ireo fiteny sinoa izay ahitana fiteny folo tetenin' ny olona miisa 1 350 000 000 any ho any, sy ireo fiteny tibetô-birmana izay ahitana fiteny miisa 330 any ho any ary tenenin' ny olona miisa 70 000 000 any hoany.

Sarintany maneho ny fitsinjaran' ireo fiteny sino-tibetàna. Mena: sampam-piteny sinoa; mavo: sampam-piteny tibetika; maitso: sampam-piteny lôlô-birmàna

Ilay mpikaroka atao hoe Laurent Sagart dia nanolo-kevitra ny hampidirana ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana sy ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ao amin' ny fianakaviambem-piteny atao hoe sinôtibetana-aostrôneziana. Ireo fiteny aostrôneziana izay miely hatraty Madagasikara ka hatrany amin' ireo nosin' i Pasifika dia samy nipoitra avy any Taioàna, sady manana voanteny mifanahaka endrika sy hevitra amin' ireo fiteny fôrmôzana.

Misy sampana efatra lehibe ny fianakaviam-piteny sinô-tibetàna, dia: ny sampam-piteny sinoa na sinitika, ny sampam-piteny tibetika, ny sampam-piteny lôlô-birmàna ary ny sampam-piteny karena. Misy koa fiteny maro hafa izay tsy isan' ireo sampam-piteny ireo.

Ireo sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny sino-tibetàna hanova

Ny sampam-piteny sinoa na sinitika hanova

Ny sampam-piteny sinoa na sinitika dia ahitana ny fiteny mandarina, ny fiteny oio, ny fiteny kantôney, ny fiteny minio, ny fiteny siangio, ny fiteny haka, ary ny fiteny ganio. Misa any amin' ny 1 300 tapitrisa ny mpiteny sinoa.

Ny sampam-piteny tibetika hanova

Ny sampam-piteny tibetika dia ahitana ny fiteny tibetàna afovoany, ny fiteny tibetàna amdo, ny fiteny tibetàna kama, ireo fiteny jongka-koka, ireo fiteny ladaki-balty, ireo fiteny laholi-spity, ny fiteny kirong-kagata, ny fiteny serpa-jirela, ary fiteny maro hafa koa. Miisa 6 tapitrisa any ny mpiteny tibetika.

Ny sampam-piteny lôlô-birmàna na lôlô-birmana hanova

Ny sampam-piteny lôlô-birmàna na lôlô-bormezy dia ahitana ireo fiteny mondzisy, ireo fiteny bormisy, ireo fiteny loloisy ary ireo fiteny mroiky. Miisa 33 tapitrisa any ho any ny mpiteny bormezy.

Ny sampam-piteny karenika hanova

Ny sampam-piteny karenika dia ahitana ny fiteny paô, ny fiteny poô, ireo fiteny sgao–bgay.

Misy koa fiteny maro hafa izay tsy voasokajy ao amin' ireo sampam-piteny ireo, dia ny fiteny bodo-garo, ireo fiteny koki-tsina, ireo fiteny meitey, ireo fiteny tamangika, ireo fiteny bay, ireo fiteny jingfô-loisy.

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny lehibe hanova

Vondrom-pianakaviam-piteny hanova