Ny fanjakana Inka (Tawantinsuyu, lit. "faritra efatra miaraka"), fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe ny Fanjakana Inka, no fanjakana lehibe indrindra tany Amerika talohan'ny Kolumbiana. Ny foibem-pitantanana, politika ary miaramila ao amin'ny empira dia tao an-tanànan'i Cusco. Ny sivilizasiona Inka dia nipoitra avy any amin'ny havoana peroviana tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-13. Ny tanàna mimanda farany dia resin'ny Espaniola tamin'ny 1572.