Fanjakan' i Kosy

(tonga teto avy amin'ny Fanjakan'i Kosy)

Ny Fanjakan' i Kosy dia fiantsoan' ny Egiptiana tamin' ny Andro Taloha ny fanjakana izay niorina ao atsimon' i Egipta nanomboka tamin' ny vanimpotoan' ny Empira Volohany. Izany fanjakana izany dia nanana fahelam-pisiana tsy fahita firy teo amin' ny tantara, izay nipoitra tamin' ny vanimpotoan' ny "kolontsain' ny Vato vao" izay nandroso tao amin' ny lohasahan' i Nily ao Sodàna ankehitriny sy ao Nobia egiptiana. Tsy niankina tamin' ny an' ny Egiptiana taloha ny sivilizasiônan' ny Fanjakan' i Kosy, hatramin' ny taonarivo faha-3 ka hatramin' ny nahazoan' ny Etiôpiana ny faritra nisy azy tamin' ny taonjato faha-4, fa nahaleo tena ka nahitana fandravonana ny kolontsain' ny vahoaka samihafa mpifanolo-bodirindrina aminy, anisan' izany ny Egiptiana. Ireto ny renivohitra nbifandimby tao: i Kerma (taonjato faha-25 -- faha-16 tal. J.K.) sy i Napàta (taonjato faha-8 -- faha-4 tal. J.K.) ary i Meroe (taonjato faha-4 tal. J.K.-- faha-4 taor. J.K.).

Fanjakana tao Afrika tamin' ny taona 400, ahitana ny Fanjakan' i Kosy.

Jereo koa hanova