Ny fanatitra dia fanomezana ataon' ny mpino ho an' ny andriamanitra na ho an' ny zavatra ivavahana, na hoan' ny olona na zavatra hafa hanomezam-boninahitra an' ilay na an' ireo andriamanitra ireo na ilay zavatra ivavahana. Maro karazana ny fanaovana fanatitra, ka ao ny fanomezana ho an' ny olona tsy manana, ao ny fametrahana zavatra heverina ho masina eo amin' ny fitoerana masina natokana ho an' ny andriamanitra, ao ny fanomezana zavatra ho fanefana ny voady natao, ao ny fanidinana zavapisotro amin' ny tany na amin' ny toerana iray, ao ny fanaterana lohavokatra ary ao ny fanaovana sorona. Maro ny karazam-pivavahana manao fanatitra, ka anisan' izany ny fivavahan' ny Egiptiana tamin' ny Andro Taloha, ny jodaisma, ny samaritanisma, ny bodisma ary ny kristianisma.

Jereo koa hanova