Fanangonana J an' ny Fahazazana

(tonga teto avy amin'ny Fanangonana J-n'ny Fahazazana)

Ny Fanangonana J an'ny Fahazazana dia fitantarana apôkrifa kristiana amin' ny fiteny latina ny amin' ny fahazazan' i Maria, ny fahaterahan' i Jesoa sy ny fahazazany. Atao hoe "fanangonana" izy io satria fanambarana lahatsoratra samihafa. Ny litera J dia avy amin' ny anaran' ny mpanonta io boky io tamin' ny voalohany, dia i Montagues Rhode James.

Tantaran' ilay fanangonana hanova

Ny Fanangonana J dia tsy misy intsony, nefa ny fikarohana amin' izao fotoana izao dia nahafahana nanakatra ny mety ho endrika nisehoan' ireo loharano nanovozan' ny mpanoratra azy, dia:

  • ny Evanjelin' i Pseodô-Matio,
  • ny fanangonana iray tranainy kokoa, atao hoe Fanangonana I, izay avy amin' ny soratra apôkrifa irlandey, dia ny Bokin' i Flavus Fergusiorum sy ny Fitantarana ny fahazazana an' i Leabhar Breac. Ity fanangonana ity dia nanovo tamin' ny loharano roa, dia ny Prôtevanjelin' i Jakôba sy loharano iray manokana izay mety ho ny Liber de natiuitate saluatoris et de Maria uel obstetrice apocryphus izay resahina ao amin' ny Didin' i Gelasio.

Misy endrika roa ny Fanangonana J, dia ny "endrika Arundel", izay nampiditra singa avy tamin' ny soratr' i Pseodô-Matio, sy ny "endrika Hereford", izay ahitana ny Libellus de Nativitate Mariae sy ny Toritenin' i Pseodô-Aogostiniana - Tovana 195.

Ny niandohan' ny Fanangonana J dia mety tany amin' ny taona 800 izay nanoratana azy taloha indrindra. Io fanangona io dia niankina amin' ny soratr' i Pseodô-Matio, ka tsy mihoatra ny tenatenan' ny taonjato faha-6 (izay fotoana aloha indrindra heverina fa nisian' i Pseodô-Matio). Ny fotoana nisarahan' ireo endrika roa ireo dia tsy fantatra.

Ny votoatin' ny lahatsoratra hanova

Endrika Arundel hanova

Ny sora-tananan' ny endrika Arundel dia nanomboka fantatra tamin' ny taona 800. Azo fintinina toy izao ny votoatiny:

  • Teny mialoha maneho ny lahatsoratra ho nosoratan' i Matio. Ny fandikan-teny dia voalaza fa nataon' i Hierônimo avy any Stridôna (na Jerôma). Io teny mialoha io dia miseho ho toy ny taratasin' i Hierônimo alefa amin' i Krômatio avy any Akoilea sy amin' i Heliôdôto avy any Altino.
  • Fahaterahana sy fahazazan' i Maria ao amin' ny Tempoly. Fanambadian' i Maria sy Jôsefa, fanambaràna mialoha ny hahaterahan' i Jesoa, famangiana sy fanaovana "fitsaran' Andriamanira" an' i Maria sy Jôsefa.
  • Fivahiniana tao Betlehema hanatanteraka ny fanisam-bahoaka.
  • Fandosiran' i Joany Batista sy Elizabeta, famonoana an' i Zakaria. Andalana voaray koa ao amin' ny Prôtevanjelin' i Jakôba.
  • Fahagagana nataon' i Joany Batista tao an-tany efitra.
  • Fandosiran' i Jesoa sy ny ray aman-dreniny tany Egipta. Andalana voaray koa amin' ny ampahany ao amin' ny Evanjelin' i Pseodô-Matio.
  • Fitantarana ny fiverenana avy any Egipta.
  • Fahagagana nataon' i Jesoa fony izy mbola zaza.

Endrika Hereford hanova

Ny endrika Hereford dia tsy ahitana na ny teny mialoha, na ny fiainan' i Joany Batista, na ireo fitantarana manaraka ny fandosirana tany Egipta. Ankoatr' izany, ireto fitantarana manaraka ireto dia misy tsy fitoviany amin' ny endrika Arundel:

  • Fitantarana ny nahitan' i Jôsefa ny fitondran' i Maria vohoka: ny endrika Hereford dia mandray amin' ny ampahany ny toriteny pseodô-aogostiniana.
  • Fitantarana ny fandosirana tany Egipta (izay tsy hita afa-tsy ao amin' ny endrika sasany amin' ny endrika Hereford).

Jereo koa hanova