Ny fanandevozana dia ny zava-manjo ny olona iray tsy manana fahafahana ka lasa fananana, azo trandrahina sy azo amidy amin' ny olona iray hafa sahala amin' ny entam-barotra. Ny andevo, izay faritan' i Aristôty ho sahala amin' ny "fitaovana manana aina", dia tsy mitovy amin' ny mpanompo tamin' ny Andro Antenatenany, na ny olona azo sambo-belona na ny olona miasa an-terivozona, satria very ny maha olona azy eo anatrehan' ny lalàna. Misy ny fitsipika sy ny fomba amam-panao miovaova isam-pirenena sy isaky ny vanim-potoana, izay mamaritra ny antony mahatonga ny olona iray ho lasa andevo na hahatonga azy ho afaka amin' ny fahandevozana, ny famerana ny fahefan' ny tompony, ny fahalalahana kely mba ananany na ny fiarovan' ny lalàna azy, ny fiheverana na tsia ny maha olona manam-panahy azy eo amin' ny lafiny fivavahana, sns. Ny fanafahana ny andevo (araka ny sitrapon' ny tompony na araka ny sitrapon' ny manampahefana) dia mahatonga azy ho lasa olona afaka indray, izay mahatonga azy hitovy (na hitovitovy zo) amin' ny olona tsotra.

Tsena fivarotana andevo tao Zanzibar (Tanzania) tamin' ny taonjato faha-19.

Ny fivarotana andevo tany Atsinanana, isan' izany ilay fivarotana andevo namakivaky an' i Sahara (fivarotana andevo nataon' ny Arabo), sy ny fivarotana andevo mainty miampita an' i Atlantika no lehibe indrindra amin' ny fomba fitrandrahana ny fanandevozana, noho ny faharetan' ireo fanao ireo (ny voalohany naharitra taonjato iraika ambin' ny folo, ny faharoa naharitra taonjato efatra), sy noho ny hamaron' ny andevo namidiny (olona mahatratra am-polo tapitrisany maro no lasa andevo), ary noho ny fiantraikan' izany ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina ary ara-toekarena, ka hita izany na tao amin' ny faritra mivelona amin' ny fanandevozana na tao Afrika, izay nisy ireo toerana telo lehibe fivarotana andevo: i Tombouctou sy i Gao (samy ao Malỳ) ary i Zanzibar (ao Tanzania).

Jereo koa hanova