Fanambaràna miandalana

Ny fanambaràna miandalana na fanambaràna mivoatra dia foto-pampianarana lehibe ao amin' ny finoana bahay, izay milaza fa ny fahamarinana ara-pivavahana dia ambaran' Andriamanitra miandalana sy amin' ny vanimpotoana tsirairay amin' ny alalan' ny hafatra mifandimby avy aminy, ary ny fomba fampitana azy araka ny foto-pampianarana samihafa dia mifanentana amin' ny fivoarana ara-potoana sy ara-kolontsaina. Noho izany dia eken' ny Bahay ny maha avy amin' Andriamanitra ny fivavahana maro manerana izao tontolo izao, ary heverin' izy ireo fa dingana miavaka tsirairay eo amin' ny tantaran' ny fivavahana tokana ireo fivavahana toa samihafa ireo. Milaza ny mpino bahay fa ny fanambaràna azon' i Bahá'u'lláh no vaovao indrindra sy manan-danja indrindra eo amin' ny fiarahamonina ankehitriny.

Izany fiheverana izany dia mifamatotra amin' ny maha tokana ny finoana bahay sy amin' ny fomban' ny mpaminany izay antsoin' izy ireo hoe "Fisehoan' Andriamanitra". Izany koa dia mifamatotra amin' ny fomba fijery bahay momba ny tanjona sy ny toetran' ny fivavahana, ny lalàna, ny zavatra inoana, ny kolontsaina ary ny tantara. Noho izany dia heveriny ho sady miandalana no mitohy ny fanambaràna avy amin' Andriamanitra ka tsy misy fiafarany.

Jereo koa hanova