Ny famoaham-peo dia zavatra ampiasaina mba hamadika ny kaika elektrika ho feo amin'ny alalan'ny hovitrovitry ny fono vokatry ny hovitrovitry ny antsody mipetaka aminy. Ny hovitrovitry ny famoaham-peo dia avy amin'ny andriamby sy ny antsody mifanakaiky ary manome saha elektrômanetika mifanohitra amin'ny tanjon'ny andriamby (tsy miova arakaraky ny fitaona). Io fifanoheranan'ny sahan'ny andriamby sy ny antsody io dia mampisy hovitrovitra (satria mifanosika ny saha roa mitovy pôlarite), ary io hovitrovitra lazaina io no mamoaka feo.

Ny famoaham-peon'ny fahitalavitra

Ny hahery ny feo dia arakaraky ny fihovitrovitry ny fono mikasika ilay antsody, rehefa matanjaka ny aratra miampita ilay antsody, dia vao mesa mafy ny haherin'ny saha manetika ary noho izany dia vao mesa mafy ny fifanoherana anelakelan'ny sahan'ny andriamby sy ny saha avoakan'ny antsody.

Ny famoaham-peo (na mpampita araka elektrôakostika) dia zavatra miovaova indrindra anaty sistema audio ankehitriny ary io no mampisy ny fiolanan'ny feo sy fahasamihafan'ny feo rehefa hoarina ny rafi-peo (système audio).

Misy karazana famoaham-peo maromaro

Ny famoaham-peo elektrôdinamika hanova

 
Tapaka anaty motera famoaham-peo

Io no karazana famoaham-peo ampiasaina indrindra amin'izao tontolo izao. Satria mora ampiasaina sady tsy lafo izy io. Ampiasaina anaty cartes de vœux izy io, na ampiasaina ao anaty kaonsera (concert) koa izy io.

Fomba fandehanana hanova

Ny fomba fandehanan'ny famoaham-peo dia manaraka io fomba io :

  1. Motera manova ny herin-aratra ho hery mekanika
  2. Io motera io dia mampita io hery mekanika any amin'ny fono
  3. Mampita ilay hery amin'ny rivotra na ranoka ilay hery mekanika, io no mampisy ny feo.

Io ny rafitra ny motera :

  • Misy sistema mamoaka saha manetika B tst miova anaty toerana lazaina hoe entrefer. Io saha io dia voarafitry ny jeômetria mekanikan'ilay motera. Ny loharanon-kery mekanika dia avoakan'ny andriambe tôrika, kely hatevina raha hoarina amin'ny velarany, misy pôlarite amin'ny todiky ny teza. Ny saha dia ao amin'ny kiolasy (plaky mipetaka eo amin'ny velarana aorian'ilay andriamby), ary voatodika any amin'ny voany anivo silindrika makany amin'ny lafy mifanohitra amin'ilay andriamby. Ny saha eo alohany eo dia voatodika any amin'ny plaky ny saha.

Fampangatsiahan' ilay famoaham-peo hanova

Ny famadihana ara-kery, eletrika-mekanika sy mekanika-akostika dia tsy tonga lafatra. Ny famadihana elektrômekanika dia misy miaraka amina fahaverezan'ny tamberina amin'ny vokatra Joule.

Ny famoaham-peo ara-tombin'aratra hanova