Facebook dia sampan-draharaha tambajotra ara-tsosialy noforonina ny volana Febroary 2004, izay karakarain'ny orinasa Facebook Inc. Tamin'ny volana Septambra 2012, nihoatra ny iray miliara[1] ny isan'ny mpampiasa an'i Facebook, ary mahery ny antsasak'izy ireo no manao Facebook amin'ny finday[2]. Tamin'ny volana Oktobra 2012 ny tranonkala facebook izay manana ny adiresy www.facebook.com dia tranonkala faharoa voavangy indrindra eo amin'ny Aterineto aorian'i Google.

Tsy maintsy misoratra ny mpikambana vao afaka mampiasa ilay tranonkala, ary rehefa vita izany dia afaka mamorona ny takelany, mifandray amin'ny mpikambana hafa izay nampiany ho namana ary mifanakalo hafatra. Miampy amin'izany koa ny fahafahana miditra anaty vondrom-pikambana ary manasokajy ny namany anaty lisitra manokana ("namana akaiky", "mpiara-miasa"...).tsy

Tantara hanova

I Mark Zuckerberg no namorona an'i Facebook tamin'izy mbola mpianatra tao amin'ny oniversiten'i Harvard tamin'ny 2004. Talohan'io Facebook io, izy dia nanokatra an'i Facemash izay nosokafany ny 28 Oktobra 2003.

Rohy ivelany hanova

Tsiahy hanova

  1. "Facebook Tops Billion-User Mark". The Wall Street Journal (Dow Jones). 4, 2012. Novangiana ny 4 Okt. 2012.
  2. Facebook’s Prospects May Rest on Trove of Data novangiana ny 30 Des. 2012

ny Facebook dia ahafahana mifandray aman'olona sy mandefa dokambarotra kanefa izy dia misy voka-dratsiny ho an'ny ankizy mbola mianatra