Estera (ao amin' ny Baiboly)

(tonga teto avy amin'ny Estera (ao amin'ny Baiboly))

I Estera, araka ny Bokin' i Estera ao amin' ny Baiboly, dia vehivavy Jiosy (avy any Jodea na Jodia) izay lasa vadin' ny mpanjakan' i Persia, atao hoe Ahasoerosy (na Kserksesy I), sady nanavotra ny Jiosy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin' i Hamàna piraiministra. Niseho tao Persia, ao Sosa (na Soza na ihany koa Sosana) ny tantara tamin' ny nanjakan' i Ahasoerosy.

Estera

Ny anaran' i Estera hanova

Hadasa no anaran' i Estera talohan' ny naha lasa vadin' ny mpanjaka azy. Ny anarana hoe Estera ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny hebreo (Tanakh) dia אסתר / Esther, ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika (Septoajinta) izy dia Εσθήρ / Esthêr, ary ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny latina (Volgata) izy dia Esther.

Tantara araka ny Bokin' i Estera hanova

Zazavavy kamboty ray sy reny notezain' i Môrdekay (na Mardôkea) zana-drahalahin-drainy i Estera. Lasa vadin' i Ahasoerôsy (na Asoerôsy) izy rehefa avy nisaotra an' i Vasty vadiny taloha ity mpanjaka ity.

 
Nanda ny baikon' ny mpanjaka i Vasty, sary nataon' i Edwin Long.

Nosafidin' ny mpanjaka tamin' ireo zazavavy tsara tarehy indrindra niseho teo anatrehany i Estera rehefa avy nandroaka an' i Vasty vadiny izay tsy nety niseho teo anatrehan' ny mpanjaka tamin' ny andro nanaovan' ny mpanjaka lanonana fiaraha-misakafo.

Nanao paikady niaraka tamin' i Môrdekay i Estera mba tsy hampahomby ny tsikombakomba hamonoana ny mpanjaka. Tsy nanaiky haneho fanajana an' i Hamàna i Môrdekay, ka namelona ny fankahalan' io praiminisitra io azy izany. Nanao tetika ny praiminisitra Hamana mba handringanana ny Jiosy sy ka nanao izay haneken' ny mpanjaka Ahasoerôsy an' izany. Tapa-kevitra hanao izay hahafaty an' i Môrdekay sy ny vahoaka jiosy i Hamàna, ka nandresy lahatra ny mpanjaka mba hamoaka didy manome alalana azy hanatanterahany izany fandripahana izany. Nanomana hazo hanantonana an' i Môrdekay i Hamàna nefa nanao paikady hamonjena ny Jiosy mpiray tanindrazana aminy i Môrdekay sy i Estera tamin' izany fotoana izany.

 
Miampanga an' i Hamàna i Estera, sary nataon' i Ernest Normand

Naniraka an' i Estera i Môrdekay mba handresy lahatra ny mpanjaka hanafoana ilay didy fanomezana alalana, na dia mety hahafaty azy aza ny fisehoany teo anatrehan' i Ahasoerôsy izay tsy nanasa azy.

Nitaraina tamin' ny mpanjaka ny amin' ny tetika handringanana ny mpiray tanindrazana aminy i Estera ka fantatry ny mpanjaka fa i Hamàna no nitetika an' izany. Nahantona tamin' ny tady ny vozon' i Hamàna, ary nanafoana ilay didy navoakany ny mpanjaka, sady nanome alalana ny Jiosy mba handringana ny fahavalony eran' ny fari-panjakàny.

Ny anaran' ireo olona voaresaka ao hanova

  • Môrdekay: hebreo: מָרְדְּכַי / Mordĕkay na מָרְדֳּכַי / Mordŏkay; grika: Μαρδοχαῖος / Mardokhaîos
  • Ahasoerôsy: hebreo: אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / ʼAẖashwērōsh; grika: Ασουηρος / Asouēros; latina: Assuerus.
  • Vasty: hebreo: וַשְׁתִּי /Vashti; grika: Αστιν / Astin.
  • Hamàna: hebreo: המן‎ / Hâmân.

Jereo koa hanova