I Eotikesy dia monka bizantina izay nanohana ny mônôfizisma. Teraka tamin' ny taona 378 i Eotikesy ary maty tamin' ny taona 454. Araka ity foto-pampianarana atao hoe mônôfizisma ity dia manana afa-tsy natiora tokana i Kristy, dia ny natioran' Andriamanitra. Nanohitra mafy ny nestôrianisma i Eotikesy. Ny fampianarany dia nitovitovy amin' ny an' i Apôlinario any Laôdikea sy ny an' i Kirilosy any Aleksandria, izay mitsipaka ny fiheverana an' i Kristy ho manana natiora roa miavaka tsara (olombelona sy Andriamanitra), ka nanoritra mazava ny maha iray tsy mivaky an' i Kristy amin' ny fikambanan' ny natiora roa ho tokana. Atao hoe eotikianisma io fampianaran' i Eotikesy io, izay noheverin' ny Fiangonana ôfisialy tamin' izany fotoana izany fa fampianaran-diso na herezia.

Atao hoe Εὐτυχής / Eutukhês ny anarany amin' ny teny grika.

Jereo koa hanova