Emirata Arabo Mitambatra

Ny Emirata Arabo Mitambatra dia fanjakana federaly niforona tamin' ny taona 1971, izay hita ao Atsinanana-Afovoany eo anelanelan' ny Hoala Persika sy ny Hoalan' i Ômàna. Izao avy ireo emirata miisa fito mamorona azy: Abu Dhabi, Dubai, Sharjah, Ajman, Umm al-Qaiwain, Fujairah ary Ras al-Khaimah. Ny renivohitra iraisany dia ny tanànan' i Abu Dhabi.

Sainan' ny Emirata Arabo Mitambatra
Ny toerana misy ny Emirata Arabo Mitambatra
Sarintanin' ny Emirata Arano Mitambatra

Atao hoe الإمارات العربية المتحدة / al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida na دولة الإمارات العربيّة المتّحدة / dawlat al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida izy amin' ny teny arabo.

Ansan' ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana solitany be indrindra ny Emirata Arabo Mitambatra. Ny emiratan' i Abu Dhabi, izay efa tao amin' ny Fikambanan' ny Firenena Mpanondrana Solitany talohan' ny niforonan' ny Emirata Arabo Mitambatra, no ahitana tahirin' etona sy tahirin-tsolitany lehibe indrindra, Ireo emirata fito mitambatra ao ireo dia tsy mitovy raha ny fananana solitany no resahina. Ny emiratan' i Dubai dia nivadika nitrandraka loharanon-karena hafa taty aoriana, ka anisan' izany ny seranan-tsambo afa-kaba, ny haitao vaovao, ary indrindra ny fizahàn-tany. Ny tananan' i Dubai koa dia lasa renivohitra ara-toekaren' ny Emirata Arabo Mitambatra.

Ny fizaràn' ny tanin' ny Emirata Mitambatra hanova

Ny Emirata Arabo Mitambatra dia mizara ho emirata fito, izay ahitana faritra maromaro izay nofoanana ny sisin-taniny nefa manjavozavo indraindray ny fiandrianany.

  • Ny Emiratan' i Abu Dhabi no lehibe indrindra amin' izy fito. Ahitana an' i i Abu Dhabi izay renivohitr' ilay firenena. Mirefy 67 340 km2 ny velarany sady misy mponina miisa 2,78 tapitrisa tamin' ny taona 2015.
  • Ny Emiratan' i Dubai dia manana velarana 3 885 km2, manana morontsiraka ao amin' ny Hoala Persika., izay misy mponina miisa 3 478 300 tamin' ny taona 2021. Ao no ahitana ny tanàna malazan' i Dubai.
  • Ny Emiratan' i Sharjah dia mirefy 2 590 km2 ary misy mponina mihoatra ny 1 400 000 tamin' ny taona 2015.
  • Ny Emiratan' i Ajman dia manana velarana mirefy 259 km2 sy mponina miisa 504 846 tamin' ny taona 2017. Any amin' ny morontsiraky ny Hoala Persika no misy an' i Ajman.
  • Ny Emiratan' i Umm al-Qaiwain any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena, nisy mpobnina miisa 72 000 tamin' ny taona 2007 ary mirefy 770 km2.
  • Ny Emiratran' i Fujairah mirefy 1 166 km2 eo ho eo sady misy mponina miisa 256 256 tamin' ny taona 2019.
  • Ny Emiratran' i Ras Al Khaimah mirefy 2 486 km2 sady nisy mponina 345 000 eo ho eo tamin' ny taona 2015.

Jereo koa hanova

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany