Ny Didake na ny Fampianaran' ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folo dia lahatsoratra tamin' ny kristianisma voalohany, voasoratra tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-2, ka izany no maha anisan' ny soratra vavolombelona tranainy indrindra azy. Ny sora-tanam-piraketana izay hita taty aoriana dia nitondra ny lohateny hoe "Foto-pampianaran' ny Tompo nampitain' ny Apôstôly roa ambin' ny folo tamin' ireo firenena". Ny hoe Didake dia avy amin' ny teny grika kôine hoe Διδαχή / Didakhê izay midika hoe "fampianarana" na "foto-pampianarana". Ny mahagaga dia ny tsy firesahana ny Apôstôly roa ambin' ny folo ao amin' io boky io.