Dariôsy III

(tonga teto avy amin'ny Dariosy III)

I Dariôsy III dia mpanjakan' i Persia tamin' ny taona 336 hatramin' ny taona 330 tal. J.K. Teraka tamin' ny taona 380 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 330 tal. J.K. Izy no mpanjaka akemenida farany.

I Dariosy III nandritra ny ady tao Isôsy.

Zafiafin' i Dariôsy II izy. Ny eonoka atao hoe Bagôasy no nampiakatra azy teo amin'ny seza fiandrianana, dia i Bagôasy izay namono an' i Artakserksesy III tamin' ny taona 338 tal. J.K. sy an' i Arsesy tamin' ny taona 336 tal. J.K. koa. Rehefa tonga teo amin' ny fitondrana i Dariôsy III dia nampamono an' i Bagôasy koa.

Nandritra ny fanapahany, i Dariôsy III dia nitarika ny tafika persiana hiatrika ny tafik' i Aleksandra Lehibe, mpanjakan' i Makedônia. Resin' ny Makedôniana ny tafika persiana tamin' ny ady tao Granikôsy tamin' ny taona 334 tal. J.K. sy tao Isôsy tamin' ny taona 333 tal. J.K. ary tao Gaogamelesy tamin' ny taona 331 tal. J.K. Nandositra an' i Aleksandra Lehibe i Dariôsy III rehefa resy tanteraka. Novonoin' i Besôsy, izay solontenam-panjakana (satrapa) tany Baktriana, i Dariôsy III tamin' io taona 330 tal. J.K. io. Tamin' io taona io ihany koa no naha lasa mpanjakan' i Persia an' i Aleksandra Lehibe ka nisambotra an' i Besôsy sy namono azy, ka tapitra teo ny fanapahan' ny Akemenida.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.