I Dôminika dia firenena nosy ao Amerika Afovoany, anisan' ireo nosy Karaîba. Mirefy 754 km2 ny velaran-taniny ary i Roseau no renivohiny. Nisy mponina miisa as 71 293 tao tamin' ny taona 2011.

Sainan' i Dôminika
Sarin-tany maneho an' i Dôminika eo anivon' izao tontolo izao

Nosy be tendrombohitra niforona avy amin' ny afotroa i Dôminika. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetaniny ary ny be dia be ny rotsakorana ka ahafahan' ny ala mikitroka maniry tsara. Andalovan' ny rivodoza matetika io firenena io isan-taona.

Sarin-tanin' i Dôminika

Vahoaka mainty hoditra ny ankamaroan' ny mponina ao (90 %) izay taranaka andevo avy aty Afrika nentina tao amin' io nosy io tamin' ny taonjato faha-18. Ny fivavahana katôlika no fivavahan' ny maro anisa ao. Miompana amin' ny fambolena, izay tena mety ao aminy ny toekaren' i Dôminika, ka isan' ny vokatra be ao sady aondrana any ivelany ny akondro, ny voasary ary ny kakaô. Nanomboka niroborobo ny fizahan-tany tamin' ireo taompolo 1990. Tamin' ny taona 1978 no nahazoan' i Dôminika ny fahaleovan-tenany ary mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Atao hoe Wai'tu kubuli (izay midika hoe "Lehibe ny vatany") ny anarany amin' ny fiteny kalinagô.

Jereo koa hanova

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany