Ny Brassicaceae dia fianakavian-javamaniry ahitana karazany miisa 3 200. Any amin' ny ila-bolantany avaratra no tena ahitana azy ireo maniry hoazy, na ambolena hahazoana menaka (ampiasaina amin' ny sakafo na amin' ny taozavatra), ho hanin' ny olombelona sy ny biby, na atao haingon-toerana. Anisan' ny zavamaniry ao amin' io fianakaviana io ny laisoa, ny nave, ny kôlza, ny sinapy, ny anandrano, sy ny maro hafa.