Ny boriborintany dia fizaràna ara-pitondrana izay atao hoe arrondissement amin'ny teny frantsay. Ampiasaina ny fizaràna toy izany ao amin'ireo firenena miteny frantsay sy amin'ny firenena sasany. Io teny io dia ampiasaina ihany koa mba handikana ny anarana mahafaoben'ny fizaràna ny tany mifandraika amin'izany amin'ny firenena tsy miteny frantsay. Indraindray dia anondroana ny fizaràn'ny departemanta ny hoe boriborintany nefa mety hanondroana ny fozaràn'ny kaominina lehibe iray izany.