Boky fahefatry ny Makabeo

Ny Boky fahefatry ny Makabeo dia boky ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa an' ny fiangonana any Jeôrjia nefa tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo na ny Baiboly katôlika sy prôtestanta izay manasokajy azy ho apôkrifa na pseodepigrafa. Mamelabelatra ny lohahevitry ny fanajana ny Lalàna izay manampy ny saina hifehy ny fihetseham-po io boky io. Derainy ny fahafatesan' ireo nanao sorona ny ainy voatantara ao amin' ny Boky faharoan' ny Makabeo. Ny maritiora dia endrika isehoan' ny eritreritra mifehy ny fihetseham-po tsy voasaina.

Fitantarana hanova

Voaresak' ity boky ity ny fotoana nanombohan' ny fanenjehana ny Jiosy nataon' ny mpanjakan' i Siria, dia i Antiôkôsy IV Epifanesy, nefa tsy miresaka ny amin' ny fanoherana nataon' ny Makabeo izy.

Fampianarana hanova

Lohahevi-dehiben' ny boky ny fijalian' ny maritiora (ny Makabeo) izay lazainy fa misolo ny fanompoana tokony hataon' ny firenena jiosy iray manontolo handiovana ny fahotany. Miezaka mampifandrindra ny foto-kevitra platônisiana sy stôisiana amin' ny Lalàna jiosy ity boky ity mba hanehoany fa mifanojo ny fivavahana jiosy sy ny filôzôfia helenista.

Mino ny tsy feteza-matin' ny fanahy ny mpanoratra, nefa tsy miresaka ny amin' ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty[1]. Ny fanahy tsara dia lazainy fa hiaina mandrakizay amim-pahasambarana miaraka amin' ireo patriarka sy Andriamanitra.

Jereo koa: hanova

Loharano hanova

  1. The Access Bible (Oxford University Press, 1999), Apocrypha 330.