Ny vajraiana na bodisma vajraiana na bodisma tantrika dia endriky ny bodisma, izay naka foto-kevitra avy amin' ny bodisma mahaiana, izay azo fantarina amin' ny alalan' ny tsindrimandry na amin' ny alalan' ny fifehezana ny mahaiana sy ny hinaiana. Ahitana singa avy amin' ny hindoisma ary indrindraindrindra ny sivaisma kasemiriana ny bodisma vajraiana. Ao amin' ny faritra himalaiana (Tibeta, Nepaly, Sikkim, Botàna, any amin' ny sisiny andrefana sy avaratr' i Sina, ao avaratr' i India) ary koa ao Japàna nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 tamin' ny alalan' ny sekolin' i Shugendo, ny an' i Shingon ary ny an' i Tendai. Hita ao Môngôlia sy any amin' ny faritra sasany ao amin' ny Federasionan' i Rosia, ary koa any Japàna. Ny bodisma tibetana dia endriky ny bodisma vajraiana izay nandroso tao Tibeta. Mandray singa maro ao amin' ny tatrisma io endriky ny boidisma io, ka izany no iantsoana azy koa hoe "bodisma tantrika".

Jereo koa hanova