I Benjamina (hebreo: בנימין) dia zanaka faha-13 sady faralahin' i Jakoba. I Rahely no anaran-dreniny. I Jôsefa irery ihany no rahalahy iray reny aminy. Tamin' ny fotoana nahamosarena ny tany dia tsy nalefan-drainy hiaraka amin' ny rahalahiny folo ho any Egipta hitady sakafo izy fa notazoniny teo aminy. Rehefa tonga tany anefa ireo rahalahiny ireo dia noteren' ilay manampahefana ambony, izay tsy iza fa i Jôsefa rahalahin' izy ireo ihany izay namidiny taloha. Rehefa tonga tany Egipta i Benjamina vao niseho tamin' ireo rahalahiny amin' izay i Jôsefa nampahalala ny tenany.

Mamihina an' i Jôsefa i Benjamina, sary nataon' i Charles Thevenin, taona 1789.

Jereo koa: hanova