Bazilika Masindahy Piera

Ny bazilika Masindahy Piera dia trano fiangonana lehibe indrindra amin' ny fivavahana katolika. Ao Vatikàna eo amin' ny ilan' ny renirano Tibra no iorenany, ary mitodika manoloana ny Toera-malalaka Masindahy Piera. Atao hoe Basilica Sancti Petri izy amin' ny teny latina fa Basilica di San Pietro in Vaticano kosa amin' ny teny italiana.

Ny Bazilika Masindahy Piera

Eo amin' ny toerana nahatongavan' ireo mpanao fivahiniana masina voalohany hanao fanompoam-pivavahana amin' i Md Piera no nanorenana azy araka ny sitrapon' i Konstantino I, eo amin' ny nisy ny toeram-pilalaovana naorin' i Kaligola sy i Nerô.

Tantara hanova

Ny papa Jolio II, avy eo ny mpandimby azy Leo X, dia nampiasa ny endolzansy (na indolzansa), tamin' ny alalan' ilay dôminikana alemàna atao hoe Johann Tetzel, mba hamatsiam-bola ny fanamboarana ilay bazilika. Nanameloka izany fivarotana endolzansy izany i Martin Lotera ao amin'ireo tsangan-kevitra 95 (31 Oktobra 1517), dia ny endolzansy izay noheveriny fa fanararaotana nataon' ny Eglizy katôlika rômana sy fanodinana ny sitrapon' Andriamanitra. Izany no niteraka ny refôrmasiona sy ny prôtestantisma.

Vakoka iraisam-pirenena hanova

Voasoratra ho isan' ny harena iraisam-pirenena ao amin' ny UNESCO ny bazilika Md Piera, izy no trano vita tamin' ny mari-trano avo lenta sady izy no trano be mpitsidika indrindra maneran-tany. Nanomboka tamin' ny 18 Avrily 1506 ny nanamboarana azy ka tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny taona 1626. Isan' ireo mpanao mari-trano nandray anjara tamin' ny fanamboarana ilay bazilika i Donato Bramante sy i Michelangelo di Lodovico Buonarroti Simoni sy i Carlo Maderno ary i Gian Lorenzo Bernini.

Toeram-pivahiniana masina hanova

Na dia tsy voasoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao aza ny nahatongavan' ny apostoly Piera (na Petera) tao Rôma amin' ny maha lohan' ny Fiangonana kristiana azy (eveka voalohan' i Antiôka sy Rôma, izany hoe papa voalohany), na ny nahafatesany martira tao, dia manambara ny Katôlika, araka ny lovantsofina, fa ao afovoan' io bazilika io no misy ny fasan' i Md Piera.

Mahasarika mpanao fivahiniana masina maro ny bazilika Md Piera izay mahatarika Katôlika miisa any amin' ny 150 000 isan' Alahady amin'ny fotoam-pivavahan' ny vavaky ny anjely (angelus) tarihin'ny papa. Izy no trano fiangonan' ny papa sy ny Fanjakan' i Vatikàna.

Laharana faharoa amin' ny bazilika efatra ao Rôma ny bazilika Md Piera, ka ny voalohany dia ny Basilica di San Giovanni in Laterano, ny fahatelo dia ny Basilica di Santa Maria Maggiore, ary ny fahefatra dia ny Basilica di San Paolo fuori le mura. Ny velaran' ny bazilika Md Piera dia mahatratra 2,3 hekitara sady afaka mandray olona miisa 60 000. Izy no trano fiangonana lehibe indrindra maneran-tany.

Jereo koa hanova