Bagdad

(tonga teto avy amin'ny Baghdad)

33°19′52″N 44°26′01″E / 33.33100°N 44.43367°E / 33.33100; 44.43367

Bagdad
Velarantany 204,2 km2
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Saber Nabet Al-Essawi
Firenena Iraka
Faritany NC
Faritra NC

I Bagdad na Baghdad dia tanàna renivohitr' i Iràka, miorina ao afovoany atsinanan' ilay firenena ary mahatazana ny morony havia amin' ny ony Tigrisy na Tigra.

Toekarena hanova

Tanàna lehibe indrindra ho an’ ny taozavabaventy any Iràka i Bagdad izay manana orinasa mpanadio solitany, mpamokatra sakafo, mpandona hoditra ary mpanao kofehy. Ny famokarana asa tanana nentim-paharazana (zaitra, fanefena firavaka, asa hoditra, ary karipetra, indrindraindrindra) dia amidy eny amin' ny bazary, izay mampiavaka an’ ilay tanàna.

I Bagdad no fihaonan' ny fitaterana ana habakabaka sy amin’ ny lalana ary an-dalamby ao amin' ilay firenena. Sedrain' ny fahatondrahan’ ny ony Tigrisy na Tigra ity tanàna ity na dia teo aza ny fanamboarana fefiloha hiarovana azy. Ny fanamboarana ny tohodranon’ i Samarra sy ny lakandrano fanarian-dranon’ i Wadi tamin’ ny taona 1956 no nahafahana nanao fanorenana vaovao.

Endriky ny tanàna hanova

Amin' ny vavahady fefy malaza, izay naorina tamin' ny taonjato faha-11, dia ny Vavahady Afovoany ihany no mbola mijoro, izay novana ho Tranombakoky ny Fitaovam-piadiana. Saripika no sisa tavela amin' ny Vavahadin' ny Talisman, izay simba tamin' ny taona 1917. Ny maozôlean’ i Suhrawardi dia voaorina tamin' ny taona 1234. Ny lapa abasida naorina manodidina ny taona 1179 sy ny sekoly Al-Mustansiriyah, izay kôlejy lehibe momba ny fianarana lalàna naorina tamin' ny taona 1232 izay novana ho tranombakoka ihany koa, dia niharan' ny daroka baomba tamin' ny taona 1991 sy tamin' ny taona 2003.

I Bagdad ihany koa no misy ny kôlejy sy ny Môskea Mirjaniyya (izay nipetrahan' ny tompomenakely mesôpôtamiana maro), ary koa ny tranobe maro naorina vao haingana, toy ny Maozôlean’ i Abu Hanifa sy ny fasan' i Abd al-Kadir. Tanànan’ ny oniversite i Bagdad.

Tantara hanova

Andro Antenatenany hanova

Nantsoina tamin' ny fomba ôfisialy hoe Madinat al-Salam, (ilay "Tanànan' ny Fiadanana") i Bagdad, izay naorina araka ny fanapahan-kevitry ny kalifa abasida faharoa Al-Mansur tamin' ny taona 762, eo amin' ny morony andrefan' ny ony Tigrisy, manoloana ny tanàna kelin' i Bagdad, "la Dieudonnée". Naharitra efa-taona ny fanamboarana azy ary nampiasa olona miisa 100 000 any ho any.

Nanaraka drafitra faribolana manana savaivo 2 km, manana manda telo sosona izy, izay misy vavahady efatra. Lalana malalaka maro no aleha avy eo amin' ireo vavahady ireo mankeo afovoan-tanàna, eo amin’ ny Lapan' ny Kalifa sy eo amin’ ny môskea, voahodidin' ny rindrina voalohany. Ny manda  faharoa dia mametra ny toerana natokana ho an' ny tafika ary ny manda fahatelo no miaro ny mponina. Ny vakin-tanàna natokana ho an’ ny mpivarotra na bazary dia eo ivelan' ireo manda ireo, ao Al-Karkh.

Niroborobo nyh fandrosoan' ilay tanàna tamin' ny fitondran' i kalifa Harun al-Rashid, izay tantaraina ao amin’ ny Anganon' ny Alina Iray amby Arivo. Tamin' ny fahafatesan’ i Harun al-Rashid, ny adim-pandovàm-pitondrana teo amin' ny zanany roa lahy dia nandrava ny ampahany amin’ ilay Tanàna Boribory (812-813). I Bagdad anefa dia nijanona ho foibe ara-barotra sy ara-kolontsaina lehibe ary niroborobo ao ny fampianarana matematika. Nanomboka tamin' ny 1258 ny fihen-danjan’ ily tanàna rehefa nandroba azy ny miaramilan' ny soltana môngôly Hulagu, zafikelin' i Genghis Khan, ary namono ny kalifa abasida farany.

Andro Vaovao sy ankehitriny hanova

Noravan’ i Tamerlan, soltana môngôly hafa, indray i Bagdad tamin’ ny taona 1401, sy tamin' ny fitondran’ ny Safavida tamin’ ny taona 1508. Tamin’ ny taona 1534 dia azon’ ny Tiorka Ôtômana ilay tanàna.

Nalain’ ny Persiana indray i Bagdad tamin’ ny taona 1623 ary nitazona azy io mandra-pahazoan' i Torkia azy indray tamin' ny taona 1638. Tamin’ ny 11 Marsa 1917 dia azon’ ny tafika britanika izy, ary tamin’ ny taona 1921 dia voafidy ho renivohitry ny Fanjakan' i Iràka i Bagdad, fanjakana izay lasa Repoblikan' i Iràka tamin' ny taona 1958. Nanimba mafy ny tanàna ny daroka baomba tamin' ny Adin' ny Hoala tamin' ny taona 1991.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.