I Bôaza dia lehilahy resahina ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' i Rota sy ny Boky voalohan' ny Tantara, izay zanak' i Salmôna. Araka ny Evanjelin' i Matio dia i Rahaba no reniny.

I Rota tao an-tanimbolin' i Bôaza, sary nataon' i Julius Schnorr von Carolsfeld, taona 1828;

Mpanan-karena nanan-tany be tao Betlehema i Bôaza zanak' i Salmôna sy Rahaba. Nanambady vahivavy maty vady atao hoe Rota izy. Hitany tany an-tanimbariny i Rota, talohan' ny nanambadiany azy, raha nanangona salohim-bary. Salohim-bary ho an-drafozambaviny Naomy tamin' ny vadiny taloha izany. Havan' i Bôaza rahateo i Naomy. Niteraka an' i Ôbeda izay voalaza fa rain' i Jese razamben' i Davida mpanjaka izy mivady.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe בועז / Bō`az izy. Ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika (Septoajinta), io anarana io dia atao hoe Βοόζ / Booz.